"Dia arovy ny lelanao amin'ny ratsy ary ny molotrao mba tsy hiteny fitaka." - Sal 34:13
Mofon’aina:
Anankiray amie' ireo fanomezan-dehibe avy amin'Andriamanitra ny fitenenana. Io no fomba anehoana ny fisainan'ny fo. Amin'ny lela no ivavahantsika sy iderantsika an'Andriamanitra. Amin'ny lela no andresentsika lahatra. Amin'ny lela no ampaherezana sy hanononana tsodrano, ary ampitoniana ny fanahy maratra sy torotoro. Amin'ny lela no anambarana amintsika ireo zava-mahatalanjon'ny fahasoavan'Andriamanitra. Nefa koa amin'ny lela no itenenana zava-dratsy sy anaovana teny manindrona toy ny bibilava.
Ampahany kely amin'ny tena ny lela saingy manan-kery lehibe ny teny avoakany. Hoy ny Tompo: "fa tsy misy olona mahafolaka ny lela" - Jak. 3:8. Nampifandrafy firenena izy, ary niteraka ady sy fandatsahan-dra. Ny teny dia nandrehitra afo sarotra vonoina. (...)
Misy fisainana ataon'i Satana ao an-tsaina izay tsy tokony hambaran'ny Kristianina na oviana na oviana: ny valinteny feno fanevatevana, ny teny feno fangidiana sy fahatezerana, ny fiampangana feno halozana sy fanendrikendrehana, dia samy avy aminy. Firifiry moa ireo teny tononina izay tsy manao afa-tsy ny mandratra ireo izay manonona azy sy izay mandre izany! Ny teny mahery dia mandona ny fo ka mamoha ny filan-dratsy ao anatiny.
Izay mampiasa ny lelany amin'ny ratsy dia mampalahelo ny Fanahy Masina, satria miasa mifanohitra amin'ny fikasan ' Andriamanitra. (…)
Tandremo tsara ny talentan'ny fiteny, satria hery lehibe ho amin'ny ratsy toy ny amin'ny tsara izany. Aoka hotandremana fatratra izay lazaina, satria ny teny tononina no maneho ny hery mifehy ny fo. Raha i Kristy no manjaka ao, dia haneho hatsaran-tarehy sy fahadiovana ary ny hanitry ny toetra voavolavolan'ny Sitrapony ianao. Raha toa kosa ianao ka eo ambany fitarihan'ilay fahavalon'ny fahatsarana rehetra, dia ho hita taratra eo amin'ny teny ataonao ny toetrany. (...)
Amin'ny alalan'i Kristy irery no ahafahantsika mandresy ny faniriana hanao teny tsy voahevitra sy tsy araka an'i Kristy. Ho maina sy ho faty ny fakam-pangidiana ao am-pontsika raha toa isika mandà tsy handray hevitra avy amin'i Satana, ao amin'ny herin'i Kristy. Hain'ny Fanahy Masina ny manao ny lela ho hanitry ny fiainana mitondra aina. – RH, 12 1910
Irin'Andriamanitra ny hifanampia-ntsika sy hifampaherezantsika. Iriny ny hanaovantsika teny mitory fanantenana sy herim-po. – The General Conference Bulletin, 23 Avrily 1901