«Aty lazaiko aminareo fa hampamoahina ny olona amin 'ny andro fitsarana noho ny amin'ny teny foana rehetra izay ataony. Fa ny teninao no hanamarinana anao, ary ny teninao no hanamelohana anao.» - Mat. 12:36,37.
Mofon’aina:
Talanjona ny mpaminany Isaia raha nibanjina ny voninahitry ny Tompo, ary nameno azy ny fahatsapana ny fahalemeny sy ny tsy fahamendrehany, ka hoy izy: «Lozako! maty aho! Fa lehilahy maloto molotra aho, sady ato amin'ny firenena maloto molotra no itoerako, fa ny Mpanjaka, dia Jehovah Tompon'ny maro, no hitan'ny masoko» - Isa. 6:5. (...) Aoka ny fanahy tsirairay izay mitonona ho zanakalahy na zanakavavin'Andriamanitra handinika ny tenany eo ambony fahazavan'ny lanitra; aoka izy hieritreritra ny amin' ny molotra maloto izay mahatonga azy ho «faty». Fitaovam-pifandraisana ny vava. (...) Koa aoka tsy hampiasaina izany hamoahana avy ao amin'ny firaketan'ny fo teny izay hanala baraka an'Andriamanitra na hanakivy ny manodidina. Ampiasao kosa izany ho fiderana sy ho voninahitr 'Andriamanitra, Izay namorona azy ho amin'izany tanjona izany. (...) Rehefa ny fitiavan'i Jesosy no lohahevitra banjinin'ny saina, dia fiderana mbamin'ny fisaorana an'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry no mipololotra avy amin'ny molotry ny olombelona.
Akory ny habetsaky ny teny atao tsy amim-piheverana sy amim-pahadalana, amin'ny fanaovana vazivazy sy kivalavala! Tsy ho toy izany anefa raha tsapan'ny mpianatr Kristy ny fahamarinan'ny teny hoe: «hampamoahina ny olona amin'ny andro fitsarana noho ny amin'ny teny foana rehetra izay ataony». (...)
Ny fahitana nomena an' i Isaia dia maneho ny toetry ny vahoakan ' Andriamanitra amin'ny andro farany. (...) Eo am-pibanjinan'izy ireo ny ao amin'ny fitoerana masina indrindra amin'ny finoana, ka ahitany ny asan'i Kristy ao amin'ny fitoerana masina any an-danitra, dia takany fa vahoaka maloto molotra izy ireo (...). Misy azo antenaina ihany ny amin'izy ireo raha aetriny eo anatrehan'Andriamanitra ny fanahiny. Eo ambonin'ny seza fiandrianan' Andriamanitra ny avan 'ny teny fikasana, ary ny asa notanterahina ho an'i Isaia dia hotanterahina ao aminy koa.
Aoka ho manitra ny teninao. Tsarovy fa na hanitry ny fiainana ho amin'ny fiainana ianao, na hanitry ny fahafatesana ho amin'ny fahafatesana. (...) Aoka ny fitiavan'i Kristy hameno ny fiainanao. - The General Conference Bulletin, 4 Avrily 1901.