Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mitombo ao amin'i Kristy

Daty
Alakamisy 25 June 2026

"Koa aoka hilaozantsika ny abidim-pianarana ny amin'i Kristy, fa aoka handroso ho amin 'ny tanteraka isika ka tsy hanao fanorenana indray, dia fibebahana hahafahana amin'ny asa maty sy finoana an 'Andriamanitra." - Heb. 6:1

Mofon’aina:
Eo am-bavahadin'ny lalana mankany amin'ny fiainana mandrakizay no ametrahan' Andriamanitra ny finoana, ary ataony manamorona ny lalana iray manontolo ny fahazavana sy ny fiadanana ary ny fifalian'ny fankatoavana an-tsitrapo. Izay mandeha eo amin'izany lalana izany dia mibanjina mandrakariva eo anoloany ny mariky ny fiantsoana ambony iantsoana azy ao amin'i Kristy. Eo imasony mandrakariva ny loka. Fahamarinana sy fifaliana ary fiadanana ao amin'ny Fanahy Masina no andraisany ny lalàn'Andriamanitra. Ireo izay toy ny hazo fijaliana tany aloha dia manjary satroboninahitra eo imasony (...).

Fandrosoana, fa tsy fijanonana eo amin'izay misy ny tena, no lalàn'ny lanitra. Lalàna mifehy ny fahaiza-manao rehetra ananan'ny vatana sy ny saina ny fandrosoana. (...) Eny an-tsaha, dia mipoitra aloha ny tsimoka, avy eo ny salohim-bary, ary avy eo ny voa feno eo amin'ny salohim-bary. Eo amin'ny fiainana ara-panahy, toy ny amin'ny ara-batana, dia, tsy maintsy misy ny fitomboana. Dingana tsikelikely no tokony handrosoantsika, mandray sy manome mandrakariva, mahazo hatrany ny fahalalana feno kokoa momba an'i Kristy, ary isan'andro dia manakaiky kokoa ny fatran'ny fahatanterahany.

Amin'ny voalohany dia zaza ao amin'i Kristy ny Kristianina; tonga ankizy izy avy eo. Tsy maintsy mitombo sy mandroso tsy miato izy, arakaraka ny tombontsoa atolotra azy. Aoka hotsaroany mandrakariva fa tsy tompon'ny tenany izy, fa novidina tamin'ny sandany lafo, ka tsy maintsy mampiasa ny talenta nankinina taminy araka izay azony atao indrindra. Eny fa na ao amin'ny fahazazan'ny fahatakarana ara-panahy aza ny Kristianina, dia tokony hanao ny tsara indrindra izy, hanao dingam-pandrosoana mankamin'ny fiainana ambony sy marina kokoa. Tokony ho tsapany fa mpiara-miasa amin'Andriamanitra izy. (...)

Aoka izy tsy hihevitra velively fa efa mety, fa hanao ny zavatra rehetra ho fatiantoka mba hahazoany ny fahalalana an'i Kristy Jesosy Tompony. Aoka izy handeha sy hiasa miaraka amin'ny Mpamonjy. Raha manao izany izy, dia hitombo ny finoany. Hibanjina mandrakariva an'i Kristy izy ka hovana hahazo izany endrika izany (...) - RH, 9 Mey 1907. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (27)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal