"Mandra-pahatongantsika rehetra ho amin'ny firaisan 'ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak 'Andriamanitra, ka ho lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben 'ny fahafenoan’i Kristy." - Efes. 4:13.
Mofon’aina:
Arakaraka ny handrosoantsika tsikelikely amin'ny lalan'ny ankatoavana no hahatakaran-tsika ny fahamarinan' ilay teny fikasana hoe: izaymiezaka hahalala an i Jehovah dia hahafantatra fa mahatoky toy ny maraina ny fiposahany (Hôs. 6:3). Misy fahazavana mamiratra kokoa ho an' izay rehetra manaraka Ilay fahazavan' izao tontolo izao. Izay rehetra mitondra ny ziogan'i Kristy, sady vonona tanteraka hankatô ny tenin'Andriamanitra dia hanao fanandramana ara-panahy tsara sy feno. Hifaly amin'ny fitahiana azony izy vokatry ny niafenan'ny fiainany miaraka amin'i Kristy ao amin ' Andriamanitra.
Ampihariny amin'ny sehatry ny asa fivelomany ny toriteny nataon'i Kristy teo an-tendrombohitra. Tsy mba mampiasa mizana mandainga izy, ary halany ny fitaka sy ny hafetsen-dratsy amin'ny varotra. (...) Mahatsapa lalina izy fa isan'ny ankohonan'ny lanitra, ka adidiny ny mampiasa ny talenta nomen'Andriamanitra azy. Takany fa natsangana ho zanak'Andriamanitra izy, ka tsy maintsy miasa amin'ny olona rehetra tahaka ny nataon'i Kristy fony Izy teto an-tany.
Asa feno fahazotoana sy fitozoana tokoa ny asan'ny Kristianina marina. Mitondra ny ziogan'i Kristy mandrakariva izy. (...) Manana fanetren-tena marina, ary tsy mba miresaka ny amin'ny fahaizany na ny zava-bitany izy. (...) Be ny zavatra mbola tokony hianarantsika momba ny toetra Kristianina marina. Tsy misy fieboeboana velively izany. (...) Tokony hameno tahotra masina ny fanahintsika ny voninahitra sy ny fiandrianan'Andriamanitra, hampietry antsika ao amin'ny vovoka eo anatrehany. Ny fietren Kristy, ny fangorahany lalina sy lehibe, ny halemem-panahiny sy ny fitiavany, dia omena antsika mba hanamafy ny fitokiantsika Aminy sy hanafoana ilay tahotra izay manandevo antsika. Irin'ny Tompo ny hanolorantsika tena manontolo ho amin'ny fiainana kristianina mafy orina sy milamina tsara. (...)
Aoka isika tsy hanaiky hatao hoe "zeny" ara-pivavahana. (…) Tsy maintsy mitombo hatrany isika ka ho lehilahy sy vehivavy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben'ny fahafenoan'i Kristy. Hitoetra ao amin'izay rehetra miteny ao am-pony hoe "Midira" Kristy. Tiany izay rehetra manam-paninana hanaraka Azy. — RH, 23 Oktôbra 1900.