Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fotoana hisaintsainana 

Daty
Alakamisy 11 April 2024

"Fa ny lalàn'i Jehôvah no sitrany; eny, ny lalàny no saintsaininy andro aman'alina." - Sal. 1:2

Mofon'aina :
Ny eritreritrao farany amin'ny alina, ny fisainanao voalohany amin'ny maraina, dia tokony ho momba Azy Izay ivon'ny fanantenanao ny fiainana mandrakizay.
Maro no toa tsy faly amin'ny fotoana atokana hisaintsainana sy handinihana ny Soratra Masina ary hivavahana, toy ny hoe fotoana very izany. Iriko mba ho araka ny fomba fijery tian'Andriamanitra anananao no andraisanao izany zavatra izany. Raha izany mantsy no izy dia hanan-danja lehibe indrindra aminao sy hataonao laharam-pahamehana ny fanjakan'ny lanitra. (...) Mampitombo ny fahazotoan-komana, manome hery sy tanjaka ny vatana ny fampiasan-tena; dia toy izany koa ny fahazarana manao fotoam-bavaka, mampitombo ny fahasoavana sy ny hery ara-panahy.
Tokony hafantoka amin'i Kristy ny fitiavana rehetra. Banjino ny fahalehibeazany sy ny famindrampony ary ny hatsarany. Aoka hambabo ny fonao ny fahatsaram-pony sy ny fitiavany ary ny fahatanterahan-toetrany. Ataovy anton-dresaka ny hakanton'ny maha-Andriamanitra Azy, ny fonenana omaniny any an-danitra ho an'ireo mahatoky. Ny Kristianina manao anton-dresaka ny any an-danitra dia mahasoa sy mamelombelona indrindra ny manodidina azy. Manana hery manova an'ireo izay mandre azy izy.
Ilaina mandrakariva ny mifandray manokana amin'Andriamanitra. Tsy maintsy manana ny Fanahin'i Kristy ao anaty isika raha te hizara izany amin'ny hafa. Tsy ho vitantsika ny hiatrika ny tafik'i Satana sy ireo olona mpiara-miasa aminy raha tsy mandany fotoana betsaka hifandraisana amin'Ilay Loharanon'ny hery rehetra isika. Misy fotoana tokony hialantsika amin'ny tabataban'ny tany sy ny raharahany mbamin'ny feon'olombelona, mba ho any amin'ny toerana mitokana hihaino ny feon'i Jesôsy. Dia hahatsapa ny fitiavany sy ho vonton'ny Fanahiny isika ka hianatra hanombo ny izaho. Toa tsy azo tanterahina izany raha ny fisainana maha-olombelona; angamba hoy ianao hoe: "Tsy manam-potoana aho". Kanefa rehefa dinihanao tsara dia tsy nanary fotoana ianao tsy akory. Rehefa azonao mantsy ny hery sy ny fahasoavana izay avy amin'Andriamanitra irery ihany, dia tsy ianao no manao ny asa. I Jesôsy no tena manao ny asa. "Raha misaraka amiko hianareo" hoy i Kristy, "dia tsy mahay manao na inona na inona" - Jao. 15:5 (...). - OHC, t. 116. 
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal