Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny Ialan'ny fahafoizan-tena.

Daty
Alakamisy 06 August 2026

  "Ary hoy koa Jesosy tamin'izy rehetra: Raha misy ta-hanaraka Ahy, aoka izy handa ny tenany, dia hitondra ny hazo fijaliany isan-andro ka hanaraka Ahy."- Lio. 9:23

Mofon’aina: 
IKristy dia manambara fa tahaka ny niainany no tokony hiainantsika koa. (...) Mandritra ny fiainana dia maro ny fotoana ahafahantsika manompo. (...) Betsaka no azontsika atao ho an'ny Tompo raha mampiasa araka ny tokony ho izy ny talentan'ny fiteny isika. (...) Ny vola, ny hery miasa mangina, ny fahaiza-miresaka, ny fotoana ary ny hery – ireo rehetra ireo dia fanomezana nankinina tamintsika mba hahatonga antsika hitondra soa bebe kokoa ho an'ireo manodidina antsika sy hanome voninahitra bebe kokoa hay Mpamorona antsika.

Maro no mihevitra fa tombontsoa ny mitsidika ireo toerana niainan'i Kristy teto an-tany, (...) nefa tsy ilaintsika ny handeha any Palestina vao afaka hanaraka ny dian-tongotr'i Jesosy isika. Eo anilan'ny fandrian'ny marary no hahitantsika ny dian-tongony, ao an-tranon'ny mahantra, eny an-dalana feno olona any an-tanan-dehibe, ary any amin'ny toerana rehetra misy fo mitady fiononana koa.- RH, 29 Febroary 29 1912. 

Tahaka ny zava-maitso velombelona tsara vokatry ny sakeli-drano nandalo 
teo anilany, tahaka izany koa no ahitana an'i Kristy eo amin' ireo asam-pamindrampo nanamarika ny lalany isaky ny indray mandingana. Na taiza na taiza nandehanany, dia niverina tamin'ny laoniny ny fahasalaman'ny marary, ary fifaliana no hita teo amin'izay rehetra nolalovany. Nifaly tamin'ny fanatrehany ny jamba sy ny marenina. (...)- RH, 25 Avrily 1912.

An-tapitrisa maro ireo fanahy efa ho faty, voafatotry ny rojon'ny tsy fahalalana sy ny fahotana, no tsy mbola nandre firy ny amin'ny fitiavan' i Kristy azy. Raha nifamadika ny toerana misy azy ireo sy ny antsika, inona no ho nirintsika hataony amintsika? Izany rehetra izany dia adidy masina tokony hataontsika ho azy ireo, raha mbola manana hery isika. Izao no fitsipi-piainan'i Kristy, izay hitsarana ny tsirairay eo amin'ny fitsarana: "Koa amin 'izany na inona na inona tianareo hataon'ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany." - Mat. 7:12 - RH, 29 Febroary 1912. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal