Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny Ialan'ny fahafoizan-tena.

Daty
Alakamisy 06 August 2026

  "Ary hoy koa Jesosy tamin'izy rehetra: Raha misy ta-hanaraka Ahy, aoka izy handa ny tenany, dia hitondra ny hazo fijaliany isan-andro ka hanaraka Ahy."- Lio. 9:23

Mofon’aina: 
IKristy dia manambara fa tahaka ny niainany no tokony hiainantsika koa. (...) Mandritra ny fiainana dia maro ny fotoana ahafahantsika manompo. (...) Betsaka no azontsika atao ho an'ny Tompo raha mampiasa araka ny tokony ho izy ny talentan'ny fiteny isika. (...) Ny vola, ny hery miasa mangina, ny fahaiza-miresaka, ny fotoana ary ny hery – ireo rehetra ireo dia fanomezana nankinina tamintsika mba hahatonga antsika hitondra soa bebe kokoa ho an'ireo manodidina antsika sy hanome voninahitra bebe kokoa hay Mpamorona antsika.

Maro no mihevitra fa tombontsoa ny mitsidika ireo toerana niainan'i Kristy teto an-tany, (...) nefa tsy ilaintsika ny handeha any Palestina vao afaka hanaraka ny dian-tongotr'i Jesosy isika. Eo anilan'ny fandrian'ny marary no hahitantsika ny dian-tongony, ao an-tranon'ny mahantra, eny an-dalana feno olona any an-tanan-dehibe, ary any amin'ny toerana rehetra misy fo mitady fiononana koa.- RH, 29 Febroary 29 1912. 

Tahaka ny zava-maitso velombelona tsara vokatry ny sakeli-drano nandalo 
teo anilany, tahaka izany koa no ahitana an'i Kristy eo amin' ireo asam-pamindrampo nanamarika ny lalany isaky ny indray mandingana. Na taiza na taiza nandehanany, dia niverina tamin'ny laoniny ny fahasalaman'ny marary, ary fifaliana no hita teo amin'izay rehetra nolalovany. Nifaly tamin'ny fanatrehany ny jamba sy ny marenina. (...)- RH, 25 Avrily 1912.

An-tapitrisa maro ireo fanahy efa ho faty, voafatotry ny rojon'ny tsy fahalalana sy ny fahotana, no tsy mbola nandre firy ny amin'ny fitiavan' i Kristy azy. Raha nifamadika ny toerana misy azy ireo sy ny antsika, inona no ho nirintsika hataony amintsika? Izany rehetra izany dia adidy masina tokony hataontsika ho azy ireo, raha mbola manana hery isika. Izao no fitsipi-piainan'i Kristy, izay hitsarana ny tsirairay eo amin'ny fitsarana: "Koa amin 'izany na inona na inona tianareo hataon'ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany." - Mat. 7:12 - RH, 29 Febroary 1912. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.
Sat 31 Oct 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 07 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal