Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fifaliana ao amin'ny fanompoana.

Daty
Alatsinainy 10 August 2026

 "Fa tsy mba toy izany aminareo; fa na iza na iza no te-ho lehibe eo aminareo, dia ho mpanompo anareo izy. Ary na iza na iza no te-ho ambony eo aminareo, dia ho mpanompon 'izy rehetra."- Mar. 10:43, 44.

Mofon’aina:
Ao amin'ny fiainam-panompoana ihany no ahitana ny tena faha-sambarana marina. Mahantra indrindra izay miaina fiainana tsy mahasoa ny hafa sy feno fitiavan-tena. Sady tsy faly amin'ny tenany izy no tsy ho afa-po amin'ny hafa. Manofana ny mpiasany ny Tompo mba hahatonga azy ireo ho vonona handray ny toerana voatendriny ho azy. (...)

Maro no tsy afa-po amin'ny fanompoana an'Andriamanitra amim-pifaliana eo amin'ny toerana izay nametrahana azy, mimonomonona izy raha manao ny asa napetraka eo an-tanany. (...) Noho ny fahatsaran' Andriamanitra dia napetrany eo anoloan'ny olona ny fanompoana izay toy ny fanafody ho an'ny saina marary. Amin'izany no itarihany azy ireo hamela ny safidy feno fitiavan-tena, izay raha fikirina dia hahatonga azy tsy ho mendrika ny asa anendreny azy.

Misy ireo te hifehy sy hanam-pahefana, ka mila mianatra ny fahamasinana amin'ny alalan'ny fileferana. Avelan'Andriamanitra hisy fiovana eo amin'ny fiainan'izy ireny. Indraindray, apetrany eo anoloany ny adidy izay tsy ho nofidiny mihitsy. Raha manaiky hotarihin'Andriamanitra izy, dia homeny fahasoavana sy hery hanatanterahana izany adidy izany amin'ny toe-tsain'ny fileferana sy ny fahaizana manampy ny hafa. Amin'izany no anomanana azy handray ny toerana izay hahatonga ny fahaizany voafehy ho tena ilaina.

Ny sasany kosa dia hofanin' Andriamanitra amin'ny alalan'ny fahadisoam-panantenana sy ny tsy fahombiazana miharihary. Fikasany ny hampianatra azy ireo hihoatra ny zava-tsarotra. Omeny toe-tsaina mafy orina izy ireo mba hahatonga ny tsy fahombiazana miharihary rehetra ho fahombiazana.

Matetika ny olona no mivavaka sy mitomany noho ny zava-tsarotra sy ny sakana atrehiny. Kanefa raha mifikitra hatramin'ny farany amin'ny fitokiana nananany izy, dia hataon'Andriamanitra mazava ny lalany. Ho tonga aminy ny fahornbiazana rehefa mitolona amin'ireo zava-tsarotra toa tsy azo resena izy, ary miaraka amin'izany fahombiazana izany ny fifaliana lehibe indrindra.- RH, 2 Mey 1907. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.
Sat 31 Oct 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 07 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (64)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal