Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Maneho ny fltiavan'l Kristy

Daty
Talata 11 August 2026

"Mifankatiava araka ny fifankatiavan'ny mpirahalahy; mitariha lalana amin 'ny fanomezam-boninahitra."- Rem. 12:10

Mofon’aina:
Tsy tokony hifantoka amin'ny tenantsika isika ka hanadino ny   adidy andrasan'Andriamanitra sy ny hafa amintsika. (...) Tian'Andriamanitra ho tsara fanahy kokoa isika, ho maha-te ho tia kokoa, tsy ho mpitsikera na fatra-piahiahy ny hafa. Enga anie isika rehetra hanana ny Fanahin'i Kristy, ka hahalala ny fomba hitondrana ny rahalahintsika sy ny mpiara-monina amintsika! (…)

Tsy maintsy manadino ny "izaho" izay manompo ny hafa amim-pitiavana. (...) Mety tsy hotsaroantsika ireo asa tsara sasany nataontsika (...), nefa any amin'ny mandrakizay no hanehoana amin'ny famirapiratany rehetra ny asa tsirairay natao ho famonjem-panahy, ny teny rehetra nampiononana ny zanak'Andriamanitra, ary ireny asa natao ho an'i Kristy ireny no ho isan'ny fifaliantsika mandrakizay.

Rehefa maneho toetra mifanohitra amin'ny hatsaram-panahy sy ny fanajana amin'ny rahalahintsika isika, dia mandeha amin'ny lalana izay tsy nosoritan'i Kristy. Tokony haneho fahalalam-pomba isika ao an-tokantrano, any am-piangonana, ary eo amin'ny fifandraisantsika amin'ny olona rehetra. Ary indrindra indrindra, tokony haneho fangorahana sy fanajana amin'ireo izay manolotra ny fiainany ho an'ny asan'Andriamanitra isika. (...) Hisy fitiavana mamy ao amin'ny fo anjakan'i Jesosy ka ho malemy fanahy sy marina amin'ny namantsika isika. (...)

Aoka tsy hisy hirika hanomezan'ny olona tsiny anao. Ny fahatezerana vetivety, ny valinteny mahery iray monj a, nytsy fisian'ny fahalalam-pomba sy ny fahalemem-panahy kristianina eo amin'ny raharaha madinika dia mety hiteraka fahaverezan'ny namana sy ny hery miasa mangina ananantsika. Tian'Andriamanitra raha miseho amin'ny fisehoana tsara indrindra ianao amin'ny toe-javatra rehetra — na eo anatrehan'ireo izay ambany noho ianao na eo anatrehan'ireo mitovy aminao na izay ambony noho ianao. Tokony ho mpanara-dia an'i Kristy amin'ny fotoana rehetra isika, mikendry ny hanome voninahitra Azy sy ny haneho Azy araka ny tokony ho izy amin'ny lafiny rehetra. (...)

Aoka ho takona ny "izaho", ary aoka i Jesosy no haseho ho maha-te ho tia indrindra. Ny hiaina ho voninahiny no tokony hokatsahintsika fa tsy ny hahazo ny fideran'olombelona.- RH, 24 Febroary 1891. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.
Sat 31 Oct 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 07 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (64)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal