Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mandresy ny fitiavan-tena

Daty
Alakamisy 13 August 2026

"Dia tahaka ahy koa manao izay hahafinaritra ny olona rehetra amin'ny zavatra rehetra ka tsy mitady ny mahasoa ahy ihany, fa ny mahasoa ny maro mba hovonjena izy."- 2 Kor. 10:33

Mofon’aina:
Fon'olona maro no itoeran'ny fitiavan-tena izay miraikitra aminy toy ny habokana. (...) Ny eritreriny sy ny drafiny ary ny ezaka ataony dia ho an'ny tenany ihany. (...) Tokony ho tsapany sy horeseny izany fitiavan-tena izany, satria fahotana lehibe eo imason'Andriamanitra. Ilain'ireny fanahy ireny ny haneho fahalianana bebe kokoa amin'ny taranak'olombelona, amin'izany no hampanakaikezany ny fony amin'i Kristy ka ho vonton'ny Fanahiny izy ireo. Hifikitra mafy amin'i Kristy izy ka tsy hisy na inona na inona hahasaraka azy amin'ny Fitiavany.- RH, 13 Jolay 1886.

Ny olona manana fanandramana tsy mahatsiriritra indrindra dia izay manidy ny fangorahany ao am-pony ihany. Ireo izay mandray mba hizara no mahazo ny tsara indrindra eo amin'ny fiainana sy mahatsapa fifaliana tena izy. Mahatsapa fahabangana mandrakariva ireo izay tsy miaina afa-tsy ho an'ny tenany, satria tsy mba mety afa-po. Tsy toetra kristianina ny tsy fanehoana fangorahana sy firaisam-po. Tokony hitondra fahazavana sy fitahiana eo  amin'ny fiainan'ny hafa isika. Nifidy antsika Andriamanitra, ho fantsona hampita ny fitahiany amin'ny hafa.-Ms, 99, 1902.

 Ho avy ny andro izay hampivembena ny tany ka ho voahetsika tahaka ny trano rantsan-kazo izy. Kanefa ny eritreritry ny mpanompon'Andriamanitra sy ny fikasany ary ny asany, na dia tsy hita ankehitriny aza, dia hiseho amin'ilay andro lehibe fitsarana sy famalian-tsoa. Ireo zavatra hadino ankehitriny dia hijoro ho vavolombelona, na hanamarina na hanameloka.

Tsy very na oviana na oviana ny fitiavana sy ny fahalemem-panahy ary ny fahafoizan-tena. Rehefa hovana hitafy tsy fahafatesana ireo voafidin'Andriamanitra, dia haseho miharihary ny teny sy ny asa tsara nataon'izy ireo, ary hotehirizina mandritra ny mandrakizay. Tsy misy asa fanompoana tsy mitady valiny, na dia kely sy tsotra aza, ho very. Amin'ny alalan'ny fahamarinan'i Kristy izay omena antsika no hitehirizana mandrakizay ny hanitry ny teny sy ny asa toy izany.- RH, 10 Marsa 1904.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.
Sat 31 Oct 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 07 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (64)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal