"Fa tahaka izany, ny Zanak 'olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro."- Mat. 20:28
Mofon’aina:
Tonga teto amin'izao tontolo izao i Kristy mba hiaina ho an'ny hafa — tsy mba hotompoina fa hanompo. Raha miezaka miaina tahaka izay niainany ianao, dia milaza amin'izao tontolo izao hoe: "Banjino ilay Lehilahin'i Kalvary." Amin'ny alalan'ny fampianarana sy ny ohatra no itarihanao ny hafa ho eo amin'ny lalan'ny fahamarinana.
Ny fahotana izay tena ankamamian'ny olona indrindra, ary mampisaraka antsika amin' Andriamanitra sady miteraka aretim-panahy maro ary koa mifindra, dia ny fitiavan-tena. Tsy hiverina eo amin'Andriamanitra isika raha tsy manda tena aloha. Tsy mahefa na inona na inona samirery isika, fa noho ny amin'Andriamanitra izay mampahery antsika kosa dia azontsika atao ny ho velona mba hanasoa ny hafa. (...)
(...)Ny fahafatesana isan'andro amin'ny tena eo amin'ireo raharaha madiniky ny fiainana no hahatonga antsika ho mpandresy. Tokony hanadino ny "izaho" isika ka haniry hanao soa ho an'ny hafa. Hita eo amin'ny maro ny tsy fahampian'ny fitiavana ny hafa. Raha tokony hanatanteraka amim-pahatokiana ny adidiny izy, dia aleony kokoa manome fahafaham-po ny tenany.
Nametrahan'Andriamanitra adidy ny mpanara-dia Azy rehetra mba ho fitahiana ho an'ny hafa eo amin'ny hery miasa mangina avy aminy sy ny fananany. (...) Fifaliana mamy sy fiadanam-po no tsapa rehefa miasa ho an'ny hafa, valisoa mahafa-po izany. Rehefa entanin'ny faniriana ambony sy mendrika hanasoa ny hafa izy, dia hahita fifaliana marina amin'ny fanatanterahana amim-pahatokiana ireo adidy maro eo amin'ny fiainana. Mihoatra noho ny valisoa ara-nofo no ho azo avy amin'izany, satria ny adidy rehetra atao tsy amim-pitiavan-tena dia hitan'ny anjely ary mamirapiratra ao amin'ny bokin'ny fiainana. Tsy misy olona hieritreritra ny tombontsoany manokana any an-danitra na hitady izay mahafinaritra ny tenany, fa izay hahafaly ireo mponin'ny lanitra manodidina azy no hokatsahin'ny reh**etra noho ny fitiavana madio sy marina ao aminy. Raha maniry hianoka ao amin'ny fiarahamonin'ny lanitra any amin'ny tany vaovao isika, dia tsy maintsy tapahin' ireo fitsipiky ny lanitra dieny ety sahady. - TFC, b. 2, tt. 132, 133.