Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny tena tombambldin’ny olona iray

Daty
Talata 18 August 2026

 "Ry olombelona, efa naseho anao izay tsara sy izay ilain'i Jehovah aminao, dia izao ihany: ny hanao ny marina sy ho tia famindrampo ary  ny hanaraka an 'Andriamanitrao amin 'ny fanetren-tena."- Mika 6:8

Mofon’aina:
Ny fiainana mirindra sy araka ny sitrapon'Andriamanitra dia toy ny epistily velona, fantatra sy vakian'ny olona rehetra. Tsy amboamboarina ety ivelany na toy ny akanjo isalorana ny fahamarinana, fa mamirapiratra avy ao anaty. Raha mitoetra ao am-po ny hamoram-panahy, ny fahadiovana, ny fahalemem-panahy, ny fanetren-tena ary ny fahitsiana, dia hiseho eo amin'ny toetra izany; ary ny toetra toy izany dia feno hery. Tsy ny fitaovana no mahazo voninahitra, fa Ilay Mpanao asa lehibe izay mampiasa azy. Ny fo feno ny fitiavan'ny Mpamonjy dia mandray fahasoavana isan'andro mba hozaraina amin'ny hafa. Hita eo amin'ny fiainana ny herin'ny fahamarinana manavotra.

Toy izao ny fijoroana ho vavolombelona momba an'i Jesosy: "Tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany."- Jao. 7:46. Tsy mbola nisy olona niteny tahaka izay nataon' i Kristy satria tsy mbola nisy niaina araka ny fomba niainany. (...) Nisy hery nandresy lahatra tao amin'ny teniny, satria fo madio sy masina no nipoiran'izany, ary fitiavana, firaisam-po sy fahasoavana ary fahamarinana no nameno azy. (. ..)

(...) Raha manatanteraka ny asany ny mpanompon ' Andriamanitra manetry tena, dia misy anjely mijoro eo anilany, mihaino ny teniny ary mandinika ny fomba anaovany ny asany. (...) Raha mitoky amin'Andriamanitra mandrakariva izy, dia tsy hamela ny asany ho simba ireo anjely mpanara-maso ireo. (...) Ny Tompo dia mijery ny asa ataon'ny vahoakany. Hitsara ny asa tsirairay Izy mba hahitana ny toetr' izany asa izany.

Miteny ho azy ny fivavahana madio sy tsy misy pentina. Manova ny toetran'izay rehetra mandray azy izany, mahatonga azy hanasoa kokoa ny hafa (...). Tsy ny toerana iandraiketan'ny olona iray no mamaritra ny tombambidiny fa ny fiainany araka ny toe-tsain'i Kristy. Rehefa mitoetra ao am-po ny Mpamonjy, dia hita eo amin'ny asa atao ny dian-tanan'Andriamanitra. Takona ny "izaho," fa i Kristy no haseho ho maha-te ho tia avokoa.- L, 187, 1902. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.
Sat 31 Oct 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 07 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (64)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal