Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Renirano any an'efitra.

Daty
Zoma 21 August 2026

"Ny marina hamololona tahaka ny rofia; hisandrahaka tahaka ny sedera any Libanona izy."- Sa1.92:12

Mofon’aina:
Alao sary an-tsaina ny mpandeha sasatra iray, miezaka mama-kivaky ny fasika mafanan'ny tany efitra, tsy misy fialofana hiaro azy amin'ny hafanan'ny masoandro migaina. Lany ny tahirin-dranony (...). Maim ny lelany ary mivembena toy ny mamo izy. Mandalo ao an-tsainy ny sarin'ny ankohonany sy ireo havany, raha mihevitra izy fa efa ho faty. Tampoka eo anefa, dia tazany avy lavitra ny hazo rofia iray mitsangana eo afovoan'ny fasika mangadihady, maitso sady velona tsara. Velombelona indray ny fanantenany; mandroso izy, satria fantany fa ny hery sy ny fahavelomana ao amin'io hazo rofia io (...) dia afaka hanome azy aina vaovao indray.

Tahaka ny hazo rofia any an'efitra (...) no tokony hataon'ny Kristianina ho an'izao tontolo izao. Izy no tokony hitarika ireo fanahy sasatra sy feno ahiahy, izay efa ho faty any an'efitry ny ota, hankeo amin'ny rano velona. Izy no tokony hampitodika ny olona rehetra hijery Ilay manao ny fanasana hoe: "Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro." - Jao. 7:37 

Na dia mihantona aza ny orana, ary mety hamely ny fakan'ny hazo rofia ny fasika mahamay ary handrakotra ny vatany, dia mbola ho velona hatrany ilay hazo, maitso sy matanjaka. Esory ny fasika dia ho hitanao ny tsiam-baratelon'ny fahavelomany: midina lalina any amin'ireo rano miafina any ambanin'ny tany ny fakany.

Toy izany koa ny Kristianina. Miara-miafina amin'i Kristy ao amin'Andriamanitra ny fiainP (...) Ny finoany dia tahaka ny fakany madinika amin'ny hazo rofia, izay midina lalina any amin'izay tsy hitan'ny maso ka mandray aina avy amin'ilay Loharanon'aina. Ary na dia eo anivon'ny fahalotoan'izao tontolo izao aza, dia marina sy mahatoky amin'Andriamanitra izy. (...)

Misoritra eo amin'ny endrik'ireo lehilahy sy vehivavy miara-mandeha sy miara-miasa amin'Andriamanitra ny fiadanan'ny lanitra. (...) Manana ny fifalian'i Kristy izy ireo — fifaliana avy amin'ny maha-fitahiana ho an'ny olombelona azy. Voninahitra ho azy ny aneken'ny Tompo hampiasa azy (...).-Wm, 5 Mey 1908 (ST, 6 Aogositra 1902).

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.
Sat 31 Oct 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 07 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (64)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal