Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mitombo amin'ny fahasoavana

Daty
Alakamisy 18 April 2024

"Fa mitomboa amin'ny fahasoavana sy ny fahalalana an'i Jesôsy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy. Ho Azy anie ny voninahitra ankehitriny sy mandrakizay." - 2 Pet. 3:18.

Mofon'Aina:
Ahoana no hahatonga antsika hitombo amin'ny fahasoavana? Tsy ho tanteraka amintsika izany raha tsy foanantsika ao am-pontsika ny izaho, ka atolotsika ny lanitra ny fontsika mba hovolavolaina hanahaka ny an' Andriamanitra. Azontsika atao ny mifandray amin'Ilay loharanon 'ny fahazavana, ny ho velombelomin'ny andon'ny lanitra, ka hirotsahan'ny ranonorana avy any an-danitra. Raha raisintsika ny fitahiana avy amin'Andriamanitra, dia afaka handray fahasoavana amin'ny fatra lehibe kokoa isika. 
Toy ny ankizy kely, dia aoka hipetraka eo an-tongotr'i Jesôsy isika, ka hianatra Aminy. (...) Tsy tokony hisy andro iray havelantsika handalo fotsiny, ka tsy hahazoantsika mitombo amin'ny fahalalana ny amin'ny zavatry ny tany sy ny zavatra ara-panahy. (...) Ny fanabeazana ambony indrindra dia avy amin'ny fanazarana ny saina handroso isan'andro. (...) Tokony hihamasaka isan'andro ny fahalalantsika. (...) Raha mibanjina an' i Jesôsy isan'andro isika, fa tsy mijery ny zava-bitantsika, dia handroso tokoa amin'ny fahalalana, na ny amin'ny zavatry ny tany, na ny amin'ny zavatra ara-panahy. 
Efa antomotra ny faran'ny zavatra rehetra. Aoka tsy havelantsika hanakana antsika tsy hiasa ny zavatra nataontsika tamin'ny lasa. Hoy Ilay Kapitenin'ny famonjena antsika: "Mandrosoa, fa avy ny alina, ka tsy mahazo miasa ny olona." Aoka isika hitombo amin'ny tsara. Aoka ho eo ambany fahefan'i Kristy mandrakariva ny fiainantsika. Aoka hirehitra sy hazava mandrakariva ny fanilontsika (...). Izay mametraka ny tenany eo amin'ny toerana izay ahafahan'Andriamanitra manazava azy dia handroso; toy ny andro vao mangiran-dratsy izay mihamazava mandra-pibaliaky ny masoandro amin'ny mitataovovonana. 
Tsy maintsy ilofosantsika ny fampiasana ny hozatsika rehetra ara-panahy (...) Tsy tian’Andriamanitra hitoetra ho zaza vao hatrany ianao, izay tsy ampy traikefa. Iriny ny hahatraranao ny zana-tohatra avo indrindra, ka hanaovanao dingana miala avy eo ho amin'ny fanjakan'i Jesôsy Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika. - OHC, t. 217. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal