Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tempoly masina ny tenantsika

Daty
Alatsinainy 22 April 2024

"Ahoana ary? Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin’ny Fanahy Masina, Izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin’Andriamanitra? Ka tsy tompon'ny tenanareo hianareo. Fa olom-boavidy hianareo, koa dia mankalaza an'Andriamanitra amin'ny tenanareo." - 1 Kôr . 6:19,20.

Mofon'Aina:
Ny fahatanterahan-toetra izay takin'Andriamanitra dia ny fanamboarana ny tena manontolo mba ho tempoly mendrika hitoeran'ny Fanahy Masina. Tsy heken'Andriamanitra ny fanompoana amin'ny ampahany fotsiny fa ny maha-olona manontolo mihitsy no ilaina miasa. (...) Ny lafiny rehetra no tsy maintsy miasa amim-pirindrana tanteraka, raha tsy izany dia hisy banga ny asa fanompoana atao. Ny olona toy izany no afaka miara-miasa amin'Andriamanitra amin'ny fanehoana an'i Kristy amin'izao tontolo izao. Koa irin'Andriamanitra ny hanomana vahoaka madio sy masina hijoro eo anatrehany, mba hahazoany mampiditra azy ao amin'ny fiaraha-monin'ny anjelin'ny lanitra.

Hafatra lehibe indrindra tsy mbola nomena an'izao tontolo izao hatrizay no nankinina tamintsika. Ny haneho ny voninahitr'Andriamanitra no tanjona natao hovelomintsika mazava ao an-tsaintsika. Andeha hitandrina isika mba tsy hampihena ny fahasalaman'ny vatana sy ny saina ary ny fanahintsika. Tsy ankasitrahan'Andriamanitra mantsy ny fanatitra voaloto na marary na ratsy. Mila tandremana ny fihinana sy ny fisotro, ny fomba fitafy sy ny fiasa, andrao tsy hahomby isika ka tsy hahavita ny tsara indrindra tokony hataontsika (...), dia hitondra vokatra maharitra mandrakizay ny fisasarantsika.

Adidintsika ny manofana sy mitaiza ny vatantsika mba hahazoantsika manompo ny Tompo amin'ny fomba mendrika indrindra araka izay azo atao. Aoka tsy hifehy antsika ny fironan-dratsy. Tsy tokony havelantsika hahazo vahana ny fitiavan-komana, ary aoka isika tsy hanaram-po amin'ny zavatra tsy mahasoa, satria hoe matsiro fotsiny izany. Tsy azontsika atao koa anefa ny hanao maty noana satria hoe hahatonga antsika hisaina ara-panahy kokoa izany, ka hahazo voninahitra Andriamanitra. Tsy maintsy ny fahaiza-misaina nomen'Andriamanitra antsika mba ho tanteraka isika eo amin'ny tena sy ny fanahy ary ny saintsika, mba hanana toetra sy foto-pisainana mifandanja tsara ka hanao asa lavorary ho an'ny Tompo. Tsy maintsy arovana mba hadio hatrany, tsy ho voaloto, ny tempoly masin'ny tenantsika, mba hahazoan'ny Fanahy Masin'Andriamanitra mitoetra ao aminy. — OHC, t. 265. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal