Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tempoly masina ny tenantsika

Daty
Alatsinainy 22 April 2024

"Ahoana ary? Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin’ny Fanahy Masina, Izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin’Andriamanitra? Ka tsy tompon'ny tenanareo hianareo. Fa olom-boavidy hianareo, koa dia mankalaza an'Andriamanitra amin'ny tenanareo." - 1 Kôr . 6:19,20.

Mofon'Aina:
Ny fahatanterahan-toetra izay takin'Andriamanitra dia ny fanamboarana ny tena manontolo mba ho tempoly mendrika hitoeran'ny Fanahy Masina. Tsy heken'Andriamanitra ny fanompoana amin'ny ampahany fotsiny fa ny maha-olona manontolo mihitsy no ilaina miasa. (...) Ny lafiny rehetra no tsy maintsy miasa amim-pirindrana tanteraka, raha tsy izany dia hisy banga ny asa fanompoana atao. Ny olona toy izany no afaka miara-miasa amin'Andriamanitra amin'ny fanehoana an'i Kristy amin'izao tontolo izao. Koa irin'Andriamanitra ny hanomana vahoaka madio sy masina hijoro eo anatrehany, mba hahazoany mampiditra azy ao amin'ny fiaraha-monin'ny anjelin'ny lanitra.

Hafatra lehibe indrindra tsy mbola nomena an'izao tontolo izao hatrizay no nankinina tamintsika. Ny haneho ny voninahitr'Andriamanitra no tanjona natao hovelomintsika mazava ao an-tsaintsika. Andeha hitandrina isika mba tsy hampihena ny fahasalaman'ny vatana sy ny saina ary ny fanahintsika. Tsy ankasitrahan'Andriamanitra mantsy ny fanatitra voaloto na marary na ratsy. Mila tandremana ny fihinana sy ny fisotro, ny fomba fitafy sy ny fiasa, andrao tsy hahomby isika ka tsy hahavita ny tsara indrindra tokony hataontsika (...), dia hitondra vokatra maharitra mandrakizay ny fisasarantsika.

Adidintsika ny manofana sy mitaiza ny vatantsika mba hahazoantsika manompo ny Tompo amin'ny fomba mendrika indrindra araka izay azo atao. Aoka tsy hifehy antsika ny fironan-dratsy. Tsy tokony havelantsika hahazo vahana ny fitiavan-komana, ary aoka isika tsy hanaram-po amin'ny zavatra tsy mahasoa, satria hoe matsiro fotsiny izany. Tsy azontsika atao koa anefa ny hanao maty noana satria hoe hahatonga antsika hisaina ara-panahy kokoa izany, ka hahazo voninahitra Andriamanitra. Tsy maintsy ny fahaiza-misaina nomen'Andriamanitra antsika mba ho tanteraka isika eo amin'ny tena sy ny fanahy ary ny saintsika, mba hanana toetra sy foto-pisainana mifandanja tsara ka hanao asa lavorary ho an'ny Tompo. Tsy maintsy arovana mba hadio hatrany, tsy ho voaloto, ny tempoly masin'ny tenantsika, mba hahazoan'ny Fanahy Masin'Andriamanitra mitoetra ao aminy. — OHC, t. 265. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (13)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal