"Ary apetraho aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo."- 1 Pet. 5:7
Mofon’aina:
Aza entina eo amin'ny olona ireo olanao, fa ento eo amin' Andriamanitra. Mety mihevitra ianao fa miray fo aminao ny hafa noho ireo fitsapana mahazo anao, nefa ho diso fanantenana ianao indraindray. I Jesôsy kosa tsy mba mandiso fanantenana izay manatona hitady fanampiana Aminy. Hoy Izy aminao anio: "Mankanesa aty amiko, (...) fa Izaho no hanome anareo fitsaharana."- Mat. 11:28. (...)
Aza mifantoka amin'ny fahasarotan' ny fiainana kristianina. Aza miresaka momba ireo fitsapana mihatra aminao. (...) Aza manonona teny mitory fahakiviana na dia kely monja aza, mahafaly an'i Satana ny teny toy izany. Ny fahatsaran'i Kristy resahina, ary lazao ny Heriny. Ny teny mitory fanantenana sy fitokiana ary herim-po dia mom tenenina toy ny fitarainana ihany.
Rehefa milaza aminao ny fahavalo fa efa nafoin'Andriamanitra ianao, dia lazao azy fa fantatrao fa tsy izany no izy; fa hoy Jehôvah : "Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akoty."- Heb. 13:5. Roahy ny fahavalo. Lazao aminy fa tsy hanala baraka an'Andriamanitra amin'ny fisalasalana momba ny Fitiavany ianao. (...)
Tsy misy fetra ny fahavononan'ny Mpamonjy hanampy antsika. Mangataka amintsika Izy mba handrotsaka ao amin'ny fiainantsika ny fahasoavana izay mampanalavitra antsika amin'ny fahotana. Avy eo amin'ny hazo fijalian'i Kalvary no ahazoantsika fahafahana sy fanantenana ary hery. Aza mampietry voninahitra ny Mpanavotra anao amin'ny fisalasalana momba ny Heriny. Matokia Azy amin'ny fotoana rehetra. Fikiro ireo haren'ny fahasoavany, ka lazao hoe: "Hino aho, mino aho fa maty ho ahy Jesôsy ." (...)
Mifalia ao amin'Andriamanitra. I Kristy no fahazavana, ary tsy misy haizina na dia kely aza ao Aminy. Mitodiha amin'ny mazava. Zaro hanao teny fiderana an'Andriamanitra ny tenanao. Ampifalio ny hafa. Izany no asa voalohany tokony hataonao. Hanamafy ny toetra tsara indrindra ao aminao izany. Sokafy manandrify ny lanitra ny varavarankelin'ny fanahy, ary avelao hiditra ao ny fahazavan'ny fahamarinan'i Kristy (...).- RH, 7 Avrily 1904.