Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny fiangonan’Andriamanifra eto an-tany.

Daty
Alakamisy 01 October 2026

"Ka dia atsangana koa hianareo tahaka ny vato velona ho trano fanahy, ho fisomnana masina, hanatitra fanati-panahy sitrak 'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy." - 1 Pet. 2:5. 
Mofon'aina:
Ny fiangonana ety an-tany no tempolin'Andriamanitra, ary natao haneho an'Andriamanitra eo anatrehan'izao tontolo izao izy. Natao ho fahazavareizao tontolo izao io fanorenana io. Vato velona natarnbatra sy narafitra izany, izay manao trano mafy orina. Tsy mitovy endrika na habe ny vato rehetra, saingy samy manana ny toerany avy izy rehetra. Ao amin'ilay trano manontolo, dia tsy tokony hisy vato haningana tsy mipetraka tsara. Samy lavorary ny tsirairay. Ary ny vato tsirairay dia vato velona, izay mamoaka hazavana. Ny Ianjan'ny vato dia miankina amin'ny fahazavana atarany amin'izao tontolo izao. Tonga ny fotoana hakana ireo vato avy any amin'ny fihadiam-baton'izao tontolo izao, ka hitondrana azy ho ao amin'ny trano fiasan'Andriamanitra, mba hotefena, hamboarina sy holamaina mba hamirapiratra. Izany no drafitr'Andriamanitra, ary tiany ny olona rehetra izay milaza ho mino ny fahamarinana mba haka ny toerany avy ao amin'ilay asa goavana amin'izao fotoana izao. — RH, 4 Desambra 1900. Nitondra fandrefesana volotara volamena avy any an-danitra ilay anjely mpanao maritrano, mba ho voatefy sy voarindra araka ny

fandrefesan 'Andriamanitra ny vato tsirairay, ary holamaina mba hamirapiratra ho toy ny mariky ny lanitra, ka hampiely amin'ny Iafiny rehetra ny tara-pahazavan'Ilay Masoandron'ny fahamarinana. TMGW, t. 17. Natao hamirapiratra amin'ny asa tsara isika. Mitaky ny hanehoan'ny olony ny fahazavan'ny toetrany sy ny fitiavany Andriamanitra (...). Rehefa mibanjina an'i Jesosy isika, dia ho hita eo amin'ny fiainantsika manontolo izany fahazavana mahagaga izany. 1 Kristy no lalana sy fahamarinana ary fiainana. Tsy misy haizina ao aminy; koa raha ao amin'i Kristy isika, dia tsy hisy haizina ao amintsika. — L, 43, 1899. 
Ny fiombonana kristianina dia fitaovana iray mamolavola ny toetra. Amin'izany dia voadio ho afaka amin'ny fitiavan-tena ny fiainana, ary ny lehilahy sy ny vehivavy dia ho voasarika hanatona an'i Kristy, Bay ivo lehibe. Amin'izany no hamaliana ilay vavaka nataony, mba ho iray ihany ny mpianany, tahaka ny maha iray Azy amin'ny Ray. — RH, 14 Janoary 1904

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal