Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Anakandriamasony.

Daty
Alahady 04 October 2026

"Fa izao no lazain’i Jehôvah, Tompon'ny maro: Hampiseho voninahitra no nanirahany ahy tany amin'ny firenena izay namabo anareo; fa izay mikasika anareo dia mikasika ny anakandriamasony." - Zak. 2:12.   

Mofon’aina:
Ny fiangonan'i Kristy, na dia marefo sy tsy tanteraka aza, no hany zavatra eto an-tany ifantohan'ny fitiavany faratampony. (...) Mariana vahoaka ny Tompo, vahoaka voafidy, dia ny fiangonany izany, izay Azy manokana, tananany mimanda, izay arovany eto amin'ity tontolo feno fahotana sy fikomiana ity. — TMGW, tt. 15,16. Fananan'Andriamanitra ny fiangonana, izay eo anivon'izao tontolo izao sy iharan'ny fakam-panahin'i Satana, ary tsaroany mandrakariva. Tsy nohadinoin'i Kristy velively ireo andro nietreny ka nahatongavany ho nofo. Rehefa niverina ho any amin'ny voninahiny any an-danitra Izy, dia mbola nitahiry ny maha olombelona tanteraka Azy. Mbola lay Jesosy malemy fanahy sy tsy miavona am-po hatrany Izy (...). Tsy mba hadinony ilay vahoaka solon-tenany izay miezaka manandratra ny lalàny voahitsakitsaka. Fantany fa izao tontolo izao izay nankahala Azy dia mankahala azy ireo koa. Na efa any an-danitra aza i Jesôsy Kristy, dia mbola misy rohy velona mamatotra ireo mpino amin'ny fony feno fitiavana tsy manam-petra. (...)

Hitan'i Jesôsy ny fiangonany marina eto an-tany, izay ny hiara-miasa Aminy amin'ny asa lehibe famonjem-panahy no faniriany lalina. Henoiny ny vavak'izy ireo, izay asandrany amin'ny fo torotoro sy amin-kery, ary tsy hain'ny Tsitoha lavina ny fitalahoan' izy ireo ho famonjena ny rantsam-batan'i Kristy rehetra izay iharan'ny fitsapana sy ny fakam-panahy. (...) Velona mandrakizay hanao fifonana ho antsika i Jesosy. Inona ny fitahiana tsy ho azon'ny mpino marina amin'ny alalan'Ilay Mpanavotra antsika? Ny fiangonana, izay efa hiditra ao anatin'ny ady mafy indrindra tsy ho ela, no ho zavatra malala indrindra amin'Andriamanitra eto ambonin'ny tany.

Hohetsehin'ny hery avy any ambany ny tafiky ny ratsy manontolo, ary ezahin' i Satana amin'ny fomba rehetra ny hanomezan-tsiny sy hanalam-baraka ireo olom-boafidy izay tsy hainy fitahina sy verezina amin'ny alalan'ny saim-petsiny. Saingy moa ve i Kristy, Izay efa nasandratra ho "Tompo sy Mpamonjy (...)" - Asa. 5:31, nisolo antsika sy Mpitarika antsika, hanidy ny fony na hanatsoaka ny tanany na hivadika amin'ny teny fikasany? Tsia; sanatria!. — TMGW, tt. 19,20.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Nov 2026
Lesona 8 : NY FANAZAVANA IREO FAMINANIANA - Fampidirana
Sun 15 Nov 2026
Lesona 8 : NY FANAZAVANA IREO FAMINANIANA - Ny Baiboly no manazava ny tenany.
Mon 16 Nov 2026
Lesona 8 : NY FANAZAVANA IREO FAMINANIANA - Tontolon-kevitra ara-tantara sy ara-kolon-tsaina.
Tue 17 Nov 2026
Lesona 8 : NY FANAZAVANA IREO FAMINANIANA - Tontolon-kevitra ara-literatiora.
Wed 18 Nov 2026
Lesona 8 : NY FANAZAVANA IREO FAMINANIANA - Ny hevitry ny lahatsoratra.
Thu 19 Nov 2026
Lesona 8 : NY FANAZAVANA IREO FAMINANIANA - Famelabelarana ara-tsoratra Masina.
Fri 20 Nov 2026
Lesona 8 : NY FANAZAVANA IREO FAMINANIANA - Mamaky ny Bokin’i ELLEN G. WHITE.
Sat 21 Nov 2026
Lesona 9 : MIZAHA TOETRA NY MPAMINANY- Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fampidirana.
Sun 08 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Tezitra tamin’ny mpitondra hafatr’Andriamanitra.
Mon 09 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Nopotehina ny hafatra (fizarana 1).
Tue 10 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Nopotehina ny hafatra (fizarana 2).
Wed 11 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fihatsarambelatsihy.
Thu 12 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Ho fananarana antsika.
Fri 13 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Naharay sy nampita hafatra.
Sat 14 Nov 2026
Lesona 8 : NY FANAZAVANA IREO FAMINANIANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Nov 2026
Lesona 9 : MIZAHA TOETRA NY MPAMINANY- Fampidirana
Sun 22 Nov 2026
Lesona 9 : MIZAHA TOETRA NY MPAMINANY-
Mon 23 Nov 2026
Lesona 9 : MIZAHA TOETRA NY MPAMINANY-
Tue 24 Nov 2026
Lesona 9 : MIZAHA TOETRA NY MPAMINANY-
Wed 25 Nov 2026
Lesona 9 : MIZAHA TOETRA NY MPAMINANY-
Thu 26 Nov 2026
Lesona 9 : MIZAHA TOETRA NY MPAMINANY-
Fri 27 Nov 2026
Lesona 9 : MIZAHA TOETRA NY MPAMINANY-
Sat 28 Nov 2026
Lesona 10 : NY FAHEFAN'NY FAMINANIANA SY NY FAHAMARINANY ANKEHITRINY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal