"Izay manisy soa olona hohatavezina,. ary izay mandena dia mba holemana kosa." - Ohab. 11:25.
Mofon’aina:
Nataon'ny Tompo hiankina amin'ny talenta natokana hanompoana Azy sy ny fanatitra an-tsitrapo atolotry ny vahoakany ny fitoriana ny Filazantsara. Raha nifidy olona hitory ny Teny Izy, dia ny fiangonana manontolo no nomeny tombontsoa handray anjara amin'izany asa izany amin'ny alalan'ny fananany hoenti-manohana izany. Ary nibaiko azy ireo koa Izy mba hiahy ny mahantra, amin'ny maha solontenany Azy. Ambaran'ny Tompo fa Azy ny ampahafolony amin'ny fidiram-bolantsika rehetra, izay natokana ho fanohanana ireo izay manokan-tena ho amin'ny fitoriana ny Filazantsara ihany. Ary ankoatra izany dia mangataka antsika hitondra fanomezana sy fanatitra hanohanana ny asany Izy, ary koa hanampiana ny malahelo. (...)
Tsy mitsahatra mandrotsaka fitahiana sy mamindra fo isan'andro amin'ny olombelona ny Tompo. Maty isika raha tsy noho ireny fanomezany ireny. (...) «Fa izy mampiposaka ny masoandrony amin'ny ratsy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin'ny marina sy ny tsy marina» - Mat. 5:45, sady «rnanome taon-jina ka mahavoky ny fonareo amin'ny hanina sy ny fifaliana» - Asa. 14:17. Andriamanitra no manome hery ny olona hahazoana harena. Avy Aminy avokoa ny hevitra sy ny faharanitan-tsaina, ny fahaizana mandamina sy manatanteraka. Izy no manome fahasalamana sy manokatra lalana ho antsika (...). Ary hoy Izy amintsika: «Ahy ny ampahany amin'ny vola izay nanomezako anao fahafahana ny hahazo izany. Ento ao an-trano firaketako izany amin'ny alalan'ny fahafolon-karena sy ny fanatitra, mba hasian-kanina ao an-tranoko — mba hisy hanohanana ireo izay mitory ny Filazantsaran'ny fahasoavako amin'izao tontolo izao.»
Azon'Andriamanitra atao ny mampandroso ny asany eto amin'izao tontolo izao, ny manome ho an'ny malahelo, na tsy misy fiaraha-miasa amin'ny olombelona aza. Angatahiny anefa ny asa fanompoantsika sy ny fanomezantsika, tsy ny hanehoantsika ny fitiavantsika Azy sy ny namantsika ihany, fa satria koa ny asa fanompoana sy ny fahafoizan-tena ho an'ny hafa dia manamafy orina ny toe-tsaina tia manao soa ao am-pon'ny mpanome, ka mampanakaiky antsika kokoa Amin'Ilay efa nanan-karena, nefa nanjary nahantra' noho ny amintsika, mba hampanan-karena antsika ny fahantrany. – RH, 9 Mey, 1893.