"Raha tsy mijery ny hita izahay, fa ny tsy hita; fa ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay." - 2 Kor. 4:18.
Mofon’aina:
Hitan'i Kristy fa mitady hanam-pitiavana tafahoatra an'izao tontolo izao ny olona. Natakalo fitiavana an'izao tontolo izao ny fitiavana an'Andriamanitra. Ny herin'Andriamanitra Tsitoha ihany no mahay mamerina izany amin'ny laoniny. Mampanalavitra ny olona an'Andriamanitra ny zavatry ny tany sy ny zava-mandalo, na dia bitika aza ny tombontsoa azo amin'izany raha oharina amin'ny zava-misy mandrakizay. (...) Manjary manaraka ny fanaon'izao tontolo izao ny olona noho ny fibanjinana azy tsy tapaka. Raha tokony hisandratra handray ny tombontsoan'ny fahasambarana mandrakizay natokana ho an'ny olo-masina ny sainy, dia miala amin'ny mandrakizay be voninahitra ka mamela ny heriny ho voafatotr'izay zava-bitika toy ny atoma eto amin'izao tontolo izao. Mietry ho ambany dia ambany izy noho ny fanolorany tena ho an'izao tontolo izao.
Tonga hanova izany toe-javatra izany i Jesosy, hanisy fetra ny fielezan'ny ratsy toy izany. Manandratra ny feony Izy, (...) mampitandrina, mananatra, miangavy, miezaka mandrava ny herin'ny maizina izay mamandrika sy manandevo ny olona. (...) Hoy Izy: «Fa inona moa no soa ho azon>ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy? Ary inona no homen>ny olona ho takalon>ny ainy?» - Mat. 16:26.
Maniry hanandratra antsika ho ambonin'izao tontolo izao Andriamanitra. Asehon'i Jesosy, Ilay Mpanavotra izao tontolo izao, antsika ny lova mandrakizay, ny harena tsy mety simba. (...) Esoriny hiala amin'ny toerana ambony nireharehany izao tontolo izao, ka apetrany eo amin'ny toerana mendrika azy, dia ambanin'ny tontolo ara-panahy sy mandrakizay. (...)
An-tsitrapo no nanoloran'i Kristy ny ainy ho fanavotana izao tontolo izao nihemotra, ary tsy tiany hanjaka ao am-pon'ny mpianany ny fitiavan-tena sy ny fitiavana izao tontolo izao. Raran'ny Tenin'Andriamanitra mazava tsara ny fanarahana ny fanaon'izao tontolo izao. (...) Ireo olom-boafidy dia tsy maintsy ho araka izay tian'Andriamanitra ho toetrany tokoa, sy araka izay nambaran'ny apostoly hoe: «fizahan>izao rehetra izao, na anjely na olona.» - 1 Ker. 4:9. — RH, 2 Febroary 1897.