Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NAMPAHEREZIN'NY FANANTENANA

Daty
Alakamisy 25 April 2024

Vakio ny Heb. 2:14,15. Ahoana no niainan'ireo mpino tamin'ny Vanim-potoana Antenantenany ny maha zava-misy ilay fifanandrinana lehibe?

Inona no nampahery ireo Vaudois mahatoky nandritra ny fanenjehana mahatsiravina nanjo azy ireo? Inona no nanome hery an'i Huss sy i Jerome, i Tyndale, i Latimer ary ireo maty maritiora tamin'ny Vanim-potoana Antenantenany hiatrika ny lelafo sy sabatra? Ny finoana ireo teny fikasan'Andriamanitra. Ninoan'izy ireo ny teny fikasan'i Kristy hoe: "satria velona Aho, dia ho velona koa hianareo"- Jao. 14:19. Ampy niatrehan'izy ireo ny fizahan-toetra lehibe indrindra teo amin'ny fiainana ny herin'i Kristy. Nahita fifaliana aza izy tao amin'ny fiombonany tamin'i Kristy tao anatin'ireo fijaliana ireo. Ary ny fahatokian'izy ireo dia fijoroana ho vavolombelona miezinezina tamin'izao tontolo izao.

Nijery tany ambadik'izay nisy izy ireo mba hahitana izay ho avy. Fantany tamin'ny alalan'ny fitsanganan'i Kristy tamin'ny maty fa fahavalo efa resy ny fahafatesana. Tapaka ny fangejan'ny fahafatesana ireo lehilahy sy vehivavy be herim-po ireo. Nifikitra tamin'ireo teny fikasan'ny Tenin'Andriamanitra izy ireo ka nivoaka ho mpandresy tamin'izany.

Vakio ny Jao. 5:24, Jao. 11:25,26, ary ny 1 Jao. 5:11-13. Inona ny toky omen'ireo teny fikasana ireo anao manokana? Ahoana no anampian'ireo antsika hiatrika ireo fizahan-toetra eo amin'ny fiainana?

Tsy kivy i John Huss nanoloana ny fampidirana am-ponja sy ny tsy rariny ary ny fahafatesana. Nijanona tao am-ponja nandritra ny volana maro izy. Nitarika tazo izay saiky nanapitra ny ainy ny hatsiaka sy ny hamandoana. Na izany aza, "nanohana azy ny fahasoavan'Andriamanitra. Nameno ny fanahiny ny fiadanan'ny lanitra nandritra ireo herinandro nijaliany talohan'ny didim-pitsarana farany. Ato an-tranomaizina no anoratako ity taratasy ity, hoy izy tamin'ny sakaizany. Mifatotra ny tanako ary miandry ny didim-pitsarana manameloka ahy ho faty rahampitso aho. Rehefa hihaona indray isika, noho ny fanampian'i Jesôsy , ao amin'ny fiadanana kanton'ny fiainana mandrakizay ho avy, dia ho fantatrao ny famindrampo nasehon'Andriamanitra tamiko, ny tena nanohanany ahy marina teo anivon'ny fakam-panahy sy ny fitsapana nihatra tamiko.' Tao amin'ny tranomaizina maloka nisy azy no nahitany mialoha ny fandresen'ny finoana marina." - HM, t. 108

Mitombo ny hasarobidin'ny fananarana nataon'i Paoly Apôstôly antsika ankehitriny. "Aoka hohazonintsika mafy ny fanekena ny fanantenana mba tsy hihozongozonany (fa mahatoky ilay efa nanao ny teny fikasana)"- Heb. 10:23. Tahaka ny nanohanan'ny teny fikasan'Andriamanitra ny olony tamin'ny lasa no anohanany antsika koa amin'izao fotoana izao.

Inona ny hevitry ny hoe mamoy ny zavatra rehetra ho an'i Kristy? Inona marina moa no verinao (Jereo ny Mar. 8:36)? Inona ireo lesona azontsika tsoahina avy amin'ireo Vaudois sy ireo mpanavao fivavahana, izay hanohana antsika ao anatin'ny fifanandrinana farany eto an-tany? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal