"Fa, indro, ny aizina manarona ny tany, ary ny aizim-pito manarona ny firenena; fa aminao kosa no iposahan Jehovah, ary aminao no isehoan'ny voninahiny. " - Isa. 60:2.
Mofon'aina:
Toe-javatra mampalahelo no misy ankehitriny ho an'ireo izay nosokafana ny masony ka mahita ny faharatsiana manjaka hatraiza hatraiza. Saika tsy misy fahatahorana sy fitiavana an'Andriamanitra intsony izao tontolo izao. 10 no andro nolazain'i Isaia hoe: «ny aizina manarona ny tany, ary ny aizim-pito manarona ny firenena». Maro no babon'ny fitaky ny taranaka tsy mino, ary miaina ao anatin'ny haizin'ny fahadisoana. (...)
Hita any amin'ny firenena rehetra ny toe-tsaina manimban'ny tsy finoana (...). Ampianarina an-kalalahana any amin'ny oniversite maro izany, hatrany amin'ny leson'ny ankizy sy ny zaza madinika any an-tsekoly. Olona an'arivony, izay mitonona ho Kristianina no mihaino fanahy mandainga. (...)
Mila fatratra ny fanambarana an'i Jesosy Kristy eo amin'ny fiainan'ny olony masina izao tontolo izao. Irin'Andriamanitra ny hisehoan'ny vahoakany ho firenena masina eo anatrehan'izao tontolo izao. Nahoana? Satria misy tontolo hovonjena amin'ny alai an'ny fahazavan'ny fahamarinan'ny Filazantsara; ary satria miantso ny olona hiala amin'ny maizina ho amin'ny fahazavan'Andriamanitra mahagaga ny hafatra torin'ny fiangonana, dia tsy maintsy ho vavolombelon'ny fahamarinan'ny hafatra torina ny fiainan'ny mambra ao aminy, izay nohamasinin'ny Fanahin'ny fahamarinana. (...)
Mila fanehoana azo tsapain-tanana momba ny atao hoe fivavahana kristianina izao tontolo izao. Koa satria manara-maso ireo izay mitonona ho mpanara-dia an'i Kristy izao tontolo izao tsy mino, dia adidin'izy ireo ny manao izay hananany fifandraisana marina amin'Andriamanitra. (...) Mba hahatonga azy ho fahazavan'izao tontolo izao, dia mila mamela ny fahazavan'ny Masoandron'ny Fahamarinana hamirapiratra aminy lalandava izy ireo. (...)
Rehefa ho tafasaraka tanteraka amin'ny ratsy ny vahoakan' Andriamanitra ka azon'Andriamanitra ataratra betsaka aminy ny fahazavan'ny lanitra, ary hamirapiratra amin'izao tontolo izao izy ireo, dia izay vao ho tanteraka amin'ny fomba feno noho ny tamin'ny lasa ny faminanian'i Isaia hoe (...) «Ary ny firenena manatona ny fahazavanao, ary ny mpanjaka mankeo amin>ny famirapiratamny fiposahanao. ( ...) Ho entina ho anao ny haren'ny ranomasina, ary hafindra ho anao ny fananan 'ny firenena. » - Isa. 60:3-5. - RH, 31 Marsa 1910.