"Mitsangana, mihazavà , fa tonga ny fahazavanao, ary ny voninahitr 'i Jehôvah efa miposaka aminao." - Isa. 60:1.
Mofon'aina:
Ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito dia napetraka manokana teto amin'izao tontolo izao ho mpiambina sy mpitondra fahazavana. Izy ireo no nanankinana ny hafa-pamindrampo fararty ho an' izao tontolo izao eo an-dalam-pahaverezana. Misy fahazavana mahagaga avy amin'ny Tenin'Andriamanitra mamirapiratra eo aminy. Koa tokony ho karazan'olona manao ahoana re izy ireo e? (...)
Tanjon'Andriamanitra ny homem-boninahitra ao amin'ny vahoakany eo anatrehan'izao tontolo izao. Iriny fatratra ny hahatonga azy ireo hofantsona ahafahany mampita ny fitiavany sy ny famindrampony tsy misy fetra. (...) Andao isika hijoro ho mpanohana ny Tompo, hanohitra ny herin'ny maizina. Miasa amim-pahavitrihana sy amim-pahatapahan-kevitra i Satana mba hanandevo sy handringana ny fanahin'ny olona. (...) Izay manolo-tena tanteraka ho an'ny fanompoana an'Andriamanitra dia hohatanjahina hiatrika ny ady. «Ampahatanjahina amin'ny hery rehetra» izy. Izay mahatsapa ny fahalemeny, ka mitolona amin' Andriamanitra tahaka an' i Jakoba, manao hoe: «Tsy havelako handeha Hianao, raha tsy tahinao aho» - Gen. 32:27, dia handroso miaraka amin'ny hosotra avy amin'ny Fanahy Masina. Hanodidina azy ny rivo-piainan'ny lanitra. Handehandeha hanao soa izy, ary hanana hery miasa mangina tsara mampandroso ny fivavahan'i Kristy.
Miantso ireo mpitondra fahazavana Andriamanitra, hameno izao tontolo izao amin'ny fahazavana sy ny fiadanana ary ny fifaliana avy amin'i Kristy. Miantso olona manetry tena Izy, izay mahatsapa ny fahalemeny ary mahatsiaro mandrakariva izay takina aminy eo amin'ny fanompoana an'Andriamanitra, dia fitondrantena sy fiteny mendrika, izay vavolombelon'ny herin'ny fahasoavan' i Kristy.(...)
Sarobidy ny fotoana. Efa ho tapaka izay ho anjaran'ny fanahy. Andrasan'Andriamanitra ho voatory amin'ny olona rehetra ny hafatra vao hampihariny ny fitsarany. Maro no tsy mbola nandre ny hafa-pahamarinana ho fizahan-toetra amin'izao andro izao. Tsy maintsy torina maneran. tany ny antsom-pamindrampo farany Efa ela ireo anjelin'ny lanitra no niandry ny olombelona hiara-miasa aminy amin'ilay asa lehibe tokony hotanterahina (...). Miandry anao izy ireo. Midadasika ny saha, ary makadiry ny asa, koa antsoina ny fo tsirairay nohamasinina hanao fanompoana sy hampiasain'ny herin'Andriamanitra. - RH, 23 Novambra 1905.