"Mba hankalazaina ao aminareo ny anaran'i Jesosy Tompontsika, aryhia nareo ao aminy kosa, araka ny fahasoavan'Andriamanitsika sy Jesosy Kristy Tompo." - 2 Tes. 1:12.
Mofon'aina:
Adidintsika .ny ho sarotiny rlfatratra ny amin'ny voninahitr'Andriamanitra, ka hisoroka izay rehetra mety hanamaloka izany, toy ny endrika misy soritr'alahelo na teny tsy voalanjalanja, izay toa milaza fa manohintohina ny fahafahantsika ny zava-takin' Andriamanitra. Ny maha olona antsika manontolo dia manana tombontsoa ho vavolombelona manambara mazava, amill'ny lafiny rehetra — eo amin'ny endrika, ny toe-po, ny teny, ary ny toetrantsika - fa tsara ny fanompoana ny Tompo. (...)
Tian'Andriamanitra ny vahoakany mitandrina ny didiny, satria amin'ny alalan'ny fankatoavana no anomezan'izy ireo voninahitra ny Anarany masina, sy hanaporofoany ny fitiavany an'Andriamanitra. (...) Tokony hifanaraka amin'ny fahazavana lehibe izay manazava ny lalantsika ny finoana sy ny zotom-pontsika. Ny finoana manetry tena sy mitoky amin'Andriamanitra —ao an-tokantranontsika, eo amin'ny mpiara-belona amintsika, ao amin'ny fiangonantsika — dia ho hita tsy mila aseho. Ny fiasan'ny Fanahy Masina dia tsy ho voasakana, ary tsy azo sakanana. Mahafaly an'Andriamanitra ny maneho ny Tenany amin'ny vahoakany amin'ny maha-Ray Azy, amin'ny maha-Andriamanitra Izay azon'izy ireo itokiana tanteraka. (...)
Rehefa to hampiseho na hanasongadina ny vokatry ny asany ny tantsaha, dia tsy ny ratsy no ataony santionany fa ny tsara indrindra. Mailaka ny vehivavy mitondra ny diberany mavo tsara efa nataony tao anaty lasitra, voafono tsara sy nasiana marika kanto. Ny lehilahy kosa mitondra ny vokatra tsara indrindra amin'ny legioma isan-karazany. Voninahitra sy vavolombelon'ny fahaizan'ny mpiasa ireo voankazo maha-te hihinana sy manintona indrindra ny fisehony. (...) Tsy hisy olona hitondra ny efa simbasimba, fa izay voafantina indrindra azon'ny tany vokarina no hoentiny.
Ary nahoana moa ny Kristianina miaina amin'izao andro farany izao no tsy haneho ny voa manintona indrindra amin'ny alalan'ny asa tsy misy fitiavan-tena? Nahoana moa ny voa entin'ny vahoakan'Andriamanitra mitandrina ny didiny no tsy hiseho amin'ny alalan'ny asa tsara indrindra? Ny teniny, ny fitondrantenany, ny fitafiany, dia tokony hanana ny kalitao ambony indrindra. Ny voany, hoy i Kristy, no hamantaranareo azy. (...) Aoka ny mambran'ny fiangonana hanana ireo toetra sarobidy mampiavaka an'i Kristy. – Ms, 70, 1897.