"Mitadiava an 'i Jehovah sy ny heriny, katsaho mandrakariva ny tavany." - 1 Tant. 16:11.
Mofon'aina;
Ireo izay tonga zanak'Andriamanitra 1 dia manana adidy eo anatrehany hanao izay rehetra azony atao mba hitady sy hamonjy ny very. (...) Ny fanasana feno fahasoavana izay ataon'i Kristy dia tokony haverin'ny olombelona mba hanakoako manerana izao tontolo izao hoe: "Ny Fanahy sy ny ampakarina manao hoe: Avia; ary aoka izay mahare hanao hoe: Avia. Ary aoka ho avy izay mangetaheta; ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin'ny rano. 'aina."- Apok. 22:17. (...) Ny mpaliara-dia an'i Kristy dia tokony hiray hina amin'ny ezaka lehibe mba hisarihana ny fifantohan'izao tontolo izao ho amin'ireo faminanian'ny Tenin'Andriamanitra izay tanteraka haingana eo imasontsika.
Endrey! Masina sy manan-danja tokoa ny asa nankinina tamintsika! Mahataka-davitra tokoa izany eo amin'ny vokatra aterany! Ahoana no hahazoantsika ny hery sy ny fahendrena ilaina mba hanatanterahana izany amim-pahombiazana? Tahaka ny nitadiavan'i Daniela ny Tompo no tokony hitadiavantsika Azy. (...) Tokony hitady ny Tompo amin'ny fanetren-tena sy ny fibebahana isika, ka hiaiky ny fahotantsika ary hanana firaisana ety amin'ny namantsika. (...)
Raha mikatsaka ny Tompo amin'ny fo tokoa isika, dia hanokatra lalana mazava eo anoloantsika Izy. Marobe ny varavarana misokatra ho amin'ny fanompoana manodidina antsika. Andeha isika handinika amim-bavaka ny asa tokony hatao, ary avy eo hanao izany amin'ny finoana feno. Tokony hiasa amim-pahanginana sy amim-panetren-tena isika, amin'ny fahalemem-panahy sy ny fanetren-tenan'i Kristy, satria fantatsika fa misy fotoan-tsarotra miandry antsika ary mila mandrakariva ny fahasoavan'ny lanitra isika mba hahaizantsika miresaka amin'ny olona. Ny mpiasa manam-paharetana sy manetry tena ary manana ny toetran'Andriamanitra no hanana vokatra azo aseho avy amin'ny asany. Ny fahombiazantsika, na ny isam-batan'olona na ny fiangonana, dia tsy miankina amin'ny isan'ny olona, na ny toerana misy antsika, na koa ny fahaizana amam-pahalalana, fa amin'ny fiarahana mandeha sy miasa amin'i Kristy.
Izao no fotoana handraisana hery avy amin'Ilay Loharanon'ny hery rehetra, fotoana tokony hiantsoana mafy fa tsy hanginana, fotoana tokony hanosehana ireo rahona maizina, mba hisehoan'ny fahazavan' ny lanitra.- RH, 29 Avrily 1909.