"Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary; tsy avy hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota mba hibebaka."- Lio. 5:31,32.
Mofon'aina:
NY mpanota no tena nokendren'ny iraka nampanaovina an'i Kristy, ny mpanota avy amin'ny firenena sy ny faritra rehetra. (...) Sarobidy Aminy avokoa izy rehetra, satria novidiny tamin'ny rany. (...) Andeha hotadiavina ny mpanota rehetra ao an-tokantranontsika sy eo amin'ny manodidina antsika ka haompantsika amin'izy ireo ny ezaka ataontsika manokana. Ny toe-javatra izay toa tsy misy fanantenana indrindra no tokony hiasana amin-kafanam-po indrindra, ary amin'ny finoana sy ny fanantenana ary ny vavaka mafana. (...)
Ireo izay iasan'i Satana amin'ny fomba mahery vaika indrindra no mamoha ny fangoraham-pon'ny Mpamonjy be fitiavana. Irahiny mandrakariva ireo ao am-bala mba hivoaka hitady sy hamonjy ny ondry very izay any an'efitra. Fitiavana lehibe indrindra no itiavany ireo voafandriky ny hery mamitak'i Satana. (...)
Halemem-panahy sy fiangaviana ary fitiavana no re ao amin'ny feony, manao hoe: "Mitadiava an 'i Jehovah, dieny mbola hita Izy, Miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy. Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny lalany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny; ary aoka hiverina ho amin'i Jehovah ireny, fa hamindra fo aminy Izy, Eny, ho amin 'Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy."- Isa. 55:6,7.
Tsy mahay mamaky ny ao am-po ny olombelona mety maty, ka matetika voafitaky ny fisehoana ivelany. Fa Ilay mahay mamaky ny ao am-po tahaka ny boky mivelatra kosa dia tsy mba manao fitsarana diso. (...) Fantany fa maro sy mivaivay ny tolona atrehin'ny fanahy mba handresena ny fironana hatrany am-bohoka sy ireo fahotana izay zary mahazatra antsika noho ny famerimberenana azy.
Hoy Izy: "Ahy izy; novidiko tamin'ny fangirifiriana (...). Efa ela Aho no nahari-po tamin'ny fitondrantenany sy ny toetrany tsy manaja sy tsy mahay mankasitraka Ahy, nefa tsy mbola nokapaiko izy, satria manantena Aho fa hitaona azy hibebaka ireo mpiara-miasa Amiko, mba hanasitranako azy, sy hanasako ary hanadiovako Azy amin'ny rako."- Ms, 41, 1890.