"Koa satria mandray fanjakana tsy azo ampihorohoroina isika, dia aoka isika hanana fahasoavana ho entintsika manao izay fanompoana sitrak 'Andriamanitra amin'ny fanajana sy ny fahatahorana." - Heb. 12:28.
Mofon'aina:
Ny fiainana mizotra tsara Nymandrakariva dia tsy manampy amin'ny fitomboana ara-panahy. Tsy afaka hahatratra ny fenitra ambony eo amin'ny fiainana ara-panahy ny olona sasany raha tsy misy fiovana miseho eo amin'ny fiainany andavanandro. Rehefa hitan'Andriamanitra (...) fa ilaina ny fiovana mba hahombi,azan'ny fanorenana ny toetra, dia ovany ny fizotry ny fiainana izay mandeha tsara. (...)
Hitan'Andriamanitra fa mila mifandray ety kokoa Aminy ny mpiasa iray; ka mba hanatanterahana izany dia sarahiny amin'ireo namany sy ny olom-pantany izy. Rehefa nanomana an'i Elia ho amin'ny famindrana azy ho any an-danitra lzy, dia naniraka azy hifindrafindra toerana mba tsy ho mora hahazo aina eo amin'ny toerana iray ka tsy hahazo hery ny fanahiny. Ary fikasan'Andriamanitra ny hahatonga ny hery miasa mangina avy amin'i Elia hanampy olona maro. (...)
Aoka ireo izay tsy avela hiaina amim-piadanana, izay tsy maintsy mifindrafindra toerana mandrakariva, manangana ny tranolainy eto anio ary rahampitso any an-kafa, hahatsiaro fa ny Tompo no mitarika azy, ary izany no fomba ampiasainy hanampiana azy hamolavola toetra lavorary. Ao anatin'ny fiovana rehetra takina amintsika, dia tokony ho fantatsika fa Andriamanitra no mpiara-dia amintsika, Mpitari-dalana ary iankinantsika. (...)
Maro no tsy mahay miasa ho an'Andriamanitra (...) satria tsy vonona hanaiky ny fanofanana ataony. Lazaina fa tsy nahomby i Moaba, satria hoy ny mpaminany: "Moaba nandry fahizay harry ny fony izy mbola kely (...), Fa tsy naidina nafindrafindra siny, ary tsy mbola lasan-ko babo izy; koa izany no aharetan 'ny tsirony ao aminy sy tsy iovan'ny fofony."- Jer. 48:11. Tahaka izany koa ireo izay tsy voadio amin'ireo fironana ratsy nolovaina sy novolavolaina teo amin'ny fiainany. (...)
Ny Kristianina dia tokony hiomana hanao asa izay mampiseho fahalemem-panahy, fandeferana, fahari-po, hamoram-po ary faharetana. Tokony hiseho eo amin'ny fiainan'ny Kristianina ny fanolokoloana ireo fanomezana sarobidy ireo, ka rehefa antsoin'ny Tompo hanao fanompoana izy, dia ho vonona hampiasa ny hery ambony indrindra ananany hanampiana ireo manodidina azy sy hitondrana fitahiana ho azy ireo.- RH, 2 Mey 190.