"Mandeha mitomany mitondra ny voa afafiny izy, fa hiverina mitondra ny amboarany amin'ny fihobiana kosa." - Sal. 126:6.
Mofon'aina;
Misy olona eo amintsika izay tsy mbola nandre na nahatakatra ny Tenin'Andriamanitra; ho faty noho ny tsy fananany ny Mofon'aina izy ireo. Koa moa ye tsy fanehoam-pitiavan-tena lehibe ny fihazonantsika samirery ireo fahamarinana masina ireo (...)?
Ny Raintsika any an-danitra dia mandefa orana sy ando ary tara-masoandro avy any an-danitra mba hamelombelona ny voninkazo sy hampitsimoka ary hampitombo ny zava-maniry. Kanefa manana anjara asa tandrify azy ny olombelona, dia ny manomana ny tany sy mamafy ny voa mba hahazoana vokatra. Raha toa izy ka namihin-tanana sady nanao hoe: "Avelako handeha ho azy ny zava-drehetra. (...) Andriamanitra no hanome ny vokatra. Izy no hanome ny masoandro sy ny orana avy any an-danitra, ary izaho kosa hiala sasatra," dia karazana vokatra manao ahoana moa no ho azo? Tsy maintsy miara-miasa amin'Andriamanitra ny olona, ka manao ny anjarany amin'ny fanomanana ny tany sy ny famafazana ny voa; ary Andriamanitra kosa no mampitombo.
Ny Raintsika any an-danitra dia tsy naniraka anjely avy any an-danitra mba hitory ny famonjena amin'ny olona, fa nampahafantariny antsika ireo fahamarinana sarobidy ao amin'ny Teniny ary namboleny tao am-pontsika izany fahamarinana izany mba hahafahantsika mizara azy amin'ireo izay ao anatin'ny haizina. (...) Tokony hiasa ny tsirairay amintsika (...).
Tokony haneho hery tsy mety ritra sy fahakingana ary zotom-po amin'izao asa izao isika, ka hitondra ny enta-mavesatra am-po, noho ny fahatsapantsika ny loza mitatao amin'ny mpifanolo-bodirindrina amintsika sy ireo namantsika. (...) Tokony haneho ny fahamarinana araka izay hita ao amin'i Jesosy isika, mba tsy hadinina amintsika ny ran'ireo fanahy very. Etsy andanin'izany, dia tokony hahatsapa fiankinana sy fitokiana feno amin'Andriamanitra isika, satria fantatsika fa tsy mahavita na inona na inona isika raha tsy eo ny fahasoavany sy ny heriny manampy antsika. Mety hamboly i Paoly, ary mety handena i Apolosy, fa Andriamanitra irery ihany no mampitombo. Koa tokony handroso hiasa tokoa isika, mitomany eo am-pamafazana ireo voa sarobidin'ny fahamarinana, sady matoky an'Andriamanitra fa Izy no hampitombo izany.- Ms, 79, 1886.