Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny flrotsahan'ny Fanahy Masina

Daty
Alahady 22 November 2026

 "Fa hahazo hery hianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany."- Asa. 1:8.

Mofon'aina: 
Vavaka fangatahana ny Fanahy Masina no nataon'ny fiangonana voalohany raha vao niorina izy ireo. Mbola teo amin'ny fahazazany ny fiangonana tamin'izany, ary tsy niaraka tamin'izy ireo mivantana intsony i Kristy. Taloha indrindran'ny niakarany tany an-danitra no nanirahan'i Kristy ny mpianany mba hitory ny filazantsara amin'izao tontolo izao. (...)

Ho fankatoavana ny tenin'ny Tompony, dia niverina tany Jerosalema ireo mpianatra, ary nandritra ny folo andro no nivavahany mba hahatanteraka ny teny fikasan'Andriamanitra. Folo andro nanaovana fandinihan-tena lalina izany. Nanaisotra ny tsy fifanarahana rehetra izay nisy teo amin'izy ireo ny mpianatra, ary niombona tao anatin'ny firaisana kristianina (...) Rehefa tapitra ny folo andro, dia notanterahin'ny Tompo ny teny fikasany tamin'ny alalan'ny firotsahan'ny Fanahiny tamin'ny fomba mahatalanjona. (...)

Inona no vokatr'ilay firotsahan'ny Fanahy tamin'ny andro Pentekosta? Nentina hatrany amin'ny faran'ny tany misy mponina ny vaovao mahafaly momba ny Mpamonjy izay nitsangana tamin'ny maty. Feno fahafoizan-tena lalina sy lehibe ny fon'ny mpianatra, izay nanosika azy ireo handeha hatrany amin'ny faran'ny tany.- RH, 30 Avrily 1908.

Ny fahasoavan' i Kristy no nahatonga ireo apostoly hanao tahaka izany. Ny fanoloran-tena marina ary ny vavaka mafana sy feno fanetren-tena no nahatonga azy ireo hanana firaisana ety amin'i Kristy. (...) Tsapany ny fahalehibeazan'ny trosa tokony haloany amin'i Kristy. Tamin'ny vavaka mafana sy feno faharetana no nahazoany ny Fanahy Masina, ary rehefa izay dia nandeha izy ireo, nitondra tao am-pony ny enta-mavesatry ny famonjem-panahy, sady feno zotom-po hampandroso ny fandresen'ny hazo fijaliana.

Moa ve ny hafanam-pontsika tokony ho latsa-danja amin'ny an'ireo apostoly? Moa ve isika tsy tokony hitaky amin'ny finoana velona ireo teny fikasana, izay nanetsika lalina ny fon'izy ireo ka nahatonga azy hangataka ny Tompo Jesosy mba hanatanteraka ny teniny hoe: "mangataha, dia hahazo hianareo"- Jao. 16:24? Moa ve tsy tokony hirotsaka ankehitriny koa ny Fanahin'Andriamanitra ho valin'ny vavaka mafana sy feno faharetana, ka hameno hery ny olona?- TFC, b. 7, t. 32. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Nov 2026
Lesona 8 : NY FANAZAVANA IREO FAMINANIANA - Fampidirana
Sun 15 Nov 2026
Lesona 8 : NY FANAZAVANA IREO FAMINANIANA - Ny Baiboly no manazava ny tenany.
Mon 16 Nov 2026
Lesona 8 : NY FANAZAVANA IREO FAMINANIANA - Tontolon-kevitra ara-tantara sy ara-kolon-tsaina.
Tue 17 Nov 2026
Lesona 8 : NY FANAZAVANA IREO FAMINANIANA - Tontolon-kevitra ara-literatiora.
Wed 18 Nov 2026
Lesona 8 : NY FANAZAVANA IREO FAMINANIANA - Ny hevitry ny lahatsoratra.
Thu 19 Nov 2026
Lesona 8 : NY FANAZAVANA IREO FAMINANIANA - Famelabelarana ara-tsoratra Masina.
Fri 20 Nov 2026
Lesona 8 : NY FANAZAVANA IREO FAMINANIANA - Mamaky ny Bokin’i ELLEN G. WHITE.
Sat 21 Nov 2026
Lesona 9 : MIZAHA TOETRA NY MPAMINANY- Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fampidirana.
Sun 08 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Tezitra tamin’ny mpitondra hafatr’Andriamanitra.
Mon 09 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Nopotehina ny hafatra (fizarana 1).
Tue 10 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Nopotehina ny hafatra (fizarana 2).
Wed 11 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fihatsarambelatsihy.
Thu 12 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Ho fananarana antsika.
Fri 13 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Naharay sy nampita hafatra.
Sat 14 Nov 2026
Lesona 8 : NY FANAZAVANA IREO FAMINANIANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Nov 2026
Lesona 9 : MIZAHA TOETRA NY MPAMINANY- Fampidirana
Sun 22 Nov 2026
Lesona 9 : MIZAHA TOETRA NY MPAMINANY-
Mon 23 Nov 2026
Lesona 9 : MIZAHA TOETRA NY MPAMINANY-
Tue 24 Nov 2026
Lesona 9 : MIZAHA TOETRA NY MPAMINANY-
Wed 25 Nov 2026
Lesona 9 : MIZAHA TOETRA NY MPAMINANY-
Thu 26 Nov 2026
Lesona 9 : MIZAHA TOETRA NY MPAMINANY-
Fri 27 Nov 2026
Lesona 9 : MIZAHA TOETRA NY MPAMINANY-
Sat 28 Nov 2026
Lesona 10 : NY FAHEFAN'NY FAMINANIANA SY NY FAHAMARINANY ANKEHITRINY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (93)
  • November 2026 (21)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal