"Koa raha hianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an 'ny zanakareo, tsy mainka va ny ray, izay any an-danitra, no hanome ny fanahy masina ho an 'izay mangataka Aminy?" - Lio. 11:13.
Mofon'aina:
Tokony hivavaka amin-kafanam-po isika mba hirotsahan'ny Fanahy Masina, tahaka ny nivavahan'ireo mpianatra tamin'ny andro Pentekosta. Raha nila ny herin'ny Fanahy Masina izy ireo tamin'izany fotoana izany, dia mbola mila izany bebe kokoa isika ankehitriny. Karazana fampianaran-diso sy (...) fitaka maro no mamily ny sain'ny olona; ka raha tsy eo ny fanampian'ny Fanahy Masina, dia ho zava-poana ny ezaka ataontsika hampahafantarana ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra. - RH, 10 Febroary 1903.
Irin'Andriamanitra ny hamelombelona ny vahoakany amin'ny fanomezana azy ireo ny Fanahy Masina (...) Taorian'ny niakaran' i Kristy ho any an-danitra dia nirotsaka tamin'ireo mpianatra izay niandry sy nivavaka ary nino ny Fanahy Masina, tamin'ny fahafenoana sy hery izay nahatratra ny fo rehetra. Hohazavain'ny voninahitr 'Andriamanitra ny tany amin'ny hoavy. Hery miasa mangina feno fahamasinana no hiampita amin'izao tontolo izao avy amin'ireo nohamasinin'ny fahamarinana. Rivo-piainan'ny fahasoavana no hanodidina ny tany. Hiasa ao am-pon'ny oIon ny Fanahy Masina (...) - RH, 2: Novambra 1905.
Nambaran' i Kristy fa homlx ireo mpanara-dia Azy hatramin'n) fahataperan'izao tontolo izao hery mahataonan'ny Fanahy Masina Tsy omen-danja araka ny tokony ho izy anefa izany teny fikasana izany, ka tsy hita araka izay tokony ho izy ny fahatanterahany. (...) Ny raharaha madinika no mibahana ao an-tsain'ny olona, ka tsy manana ny herin'Andriamanitra ampy ho amin'ny fitomboany sy ny firoboroboany ny fiangonana, (...) nefa izany dia omena antsika amin'ny fahafenoana tsy manam-petra. (...)
Ry anadahy sy rahavavy, angataho amim-pitalahoana ny Fanahy Masina. (...) Hoy i Kristy: "Na inona na inona tononinareo amin'ny fivavahana sy angatahinareo, dia minoa fa efa nandray hianareo, dia ho azonareo izany."- Mar. 11:24. Ary koa: "Ary na inona na inona no hangatahinareo amin'ny anarako, dia hataoko izany"-Jao. 14:13. RH, 30 Avrily 1908.