"Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, dia ny Fanahin'ny fahamarinana, Izay tsy azon 'izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa hianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo." - Jao. 14:16, 17.
Mofon'aina;
Toa tsy mahatakatra sy mandray ho an'ny tenany io teny fikasana io ny vahoakan'Andriamanitra. Toa mihevitra izy ireo fa ranonoratn-pahasoavana kely dia kely ihany no hilatsaka amin'ny fanahy mangetaheta. (...) Tsy tsapan'izy ireo fa ilainy ny hanatratra ireo tombontsoa ambony atolotra azy amin'ny vidiny tsy manam-petra. (...) (...)
Raha samy vonon-kandray ny olona rehetra, dia ho feno ny Fanahy Masina avokoa. Rehefa afa-po amin'ny fitahiana madinika isika, dia mametra ny tenantsika tsy ho mendrika handray ny Fanahy amin'ny fahafenoany tsy manam-petra. (...) Kely no antenaintsika, ka kely no raisintsika.
Tokony ho tsapan'ny rehetra fa ilaina tokoa ny asan'ny Fanahy Masina. Raha tsy raisins sy ankamamiana amin'ny maha Solontenan'i Kristy Azy ny Fanahy Masina (ny asany dia ny manavao sy manamasina ny olona manontolo), dia tsy hanan-kery hiasa amin'ny fisainana ireo fahamarinana izay nankinina tamin'ny taranak'olombelona. Tsy ampy ny fahalalantsika fotsiny ny fahamarinana; tokony handeha sy hiasa amin'ny fitiavana isika, hampifanaraka ny sitrapontsika amin'ny an'Andriamanitra. Hoy ny Tompo momba ireo izay manao izany: "hataoko ao an-tsainy ny lalako, sady hosoratako ao am-pony" - Heb. 8:10. (...) Amin' izany no hanavaozana indray ny fifandraisana masina eo amin'Andriamanitra sy ny olombelona. Hoy Izy: "'izy ho oloko, ary Izaho ho Andriamaniny.' Tsy miry lafin-Toetrako izay tsy omeko maimaimpoana mba hahazoan'ny olona maneho taratra ny Endriko." (...)
Moa ye isika mikatsaka ny fahafenoany, ka mandroso hatrany mankany amin' ilay tanjona napetraka eo anoloantsika, dia ny fahatanterahan'ny Toetrany? Rehefa mahatratra izany marika izany ny vahoakan'Andriamanitra, dia hasiana tombokase eo amin'ny handrin'izy ireo. Ho feno ny Fanahy Masina izy ireo, ho tanteraka ao amin'i Kristy, ary Hay anjely mpandray an-tsoratra dia hanambara hoe: "Vita."- RH, 10 Jona 1902.