"Ny Fanahy sy ny ampakarina manao hoe: Avia; ary aoka izay mahare hanao hoe: Avia. Ary aoka ho avy izay mangetaheta; ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin'ny ranon'aina."- Apok. 22:17.
Mofon'aina:
Fotoana fohy talohan'ny niakarany r ho eo amin'ny seza fiandrianany any an-danitra, dia naniraka ny mpianany i Kristy mba handeha manerana izao tontolo izao hampianatra ny fahamarinana. (...) Maro amin'reo mpino nomena izany iraka izany no avy amin'ny saranga ambanimbany kokoa — lehilahy sy vehivavy izay nianatra ho tia ny Tompony sy tapa-kevitra ny hanaraka ny ohatra nasehony tamin'ny fanompoana feno fandavan-tena. Ireo olona tso-piaina ireo, izay nanana talenta voafetra ihany, ary koa ireo mpianatra izay niaraka tamin'ny Mpamonjy nandritra ny asa fanompoany teto an-tany, no nomena ilay iraka hoe: "Mandehana any amin'izao tontolo izao hianareo; ka mitoria ny filazantsara amin'ny olombelona rehetra." - Mar. 16:15. (...)
...) Niara-niasa ho amin'ny fanatanterahana izany iraka napetraka tamin'ny mpianatra voalohany izany ireo mpino teo amin'ny vanim-potoana rehetra. Tian'Andriamanitra raha ny mpino tsirairay no hanatanteraka ny sitrapon'ny Mpamonjy. (...) Ny asa feno fahafoizart-tena nataon'ny vahoakan'Andriamanitra tamin'ny andro lasa dia lesona mivaingana sy loharanon-kery ho an' ireo mpanompony ankehitriny. Ireo vahoaka nofidin'Andriamanitra ankehitriny dia tokony hafana fo amin'ny asa soa, hanalavitra ny faniriana araka izao tontolo izao ary handeha amim-panetren-tena hanaraka ny dian-tongotr'Ilay Nazarena nanetry tena. (...)
"Ny Fanahy sy ny ampakarina manao hoe: Avia; ary aoka izay mahare hanao hoe: Avia." (...) Ny fanahy rehetra izay efa nandre ny fanasana avy amin'Andriamanitra no tokony hampanakoako izany hafatra izany (...), ka hilaza amin'izay olona mifanerasera aminy hoe: "Avia." Tokony ho fahazavan'izao tontolo izao izay rehetra mandray an'i Kristy, manomboka amin'ny fotoana iovany fo. (...) Manome hery na dia ny malemy indrindra aza mba handrosoany ho amin'ny fandresena ny Fanahy Masina, Izay solontenan'i Kristy. (...) Mety ho voafetran'ny toe-javatra samihafa ny asa azon'ny sasany atao, nefa, na aiza na aiza anaovana izany amim-pinoana sy amim-pahazotoana, dia ho tsapa hatrany amin'ny faran'ny tany ny vokatr'izany.- RH, 24 Marsa 1910.