"Fa izaho milaza ny marina aminareo: mahatsara anareo ny fialako; fa raha tsy hiala Aho, dia tsy ho avy aty aminareo ny Mpananatra; fa raha handeha Aho, dia hirahiko ho aty aminareo Izy." Jao. 16:7.
Mofon'aina :
Hoy i Kristy: "mahatsara anareo ny fialako." Amin'izany dia tsy hisy olona hanana tombony manokana intsony noho ny toerana misy azy na noho ny fifandraisany manokana amin'i Kristy. Ho azon'ny rehetra atonina amin'ny fomba mitovy ny Mpamonjy, (...) Ary amin'izany dia akaiky kokoa antsika rehetra Izy noho ny fony Izy tsy mbola niakatra ho any an-danitra. (...) Ny mason'ny finoana no mahita Azy mandrakariva, amin'ny fahatsarany rehetra, ny fahasoavany, ny fahari-pony, ny fahalemem-panahiny, ary ny fitiavany. (...) Ary arakaraka ny ibanjinantsika Azy no hanovana antsika hitovy endrika Aminy.- RH, 5 Desambra 1912.
Tsy haintsika amin'ny herintsika samirery na amin'ny ezaka ataontsika samirery ny hanova ny tenantsika. Ny Fanahy Masina (...) no marrova ny toetrantsika ho araka ny endrik'i Kristy; ary rehefa tanteraka izany, dia haneho taratry ny voninahitry ny Tompo toy ny amin'ny fitaratra isika (...)
Tsy tsapantsika akory fa voaova isan'andro isika ka hiala amin'ny lalantsika sy ny sitrapontsika mba handeha araka ny lalan'i Kristy sy ny sitrapony, ary ho amin'ny hakanton'ny toetrany. Toy izany no itomboantsika ao amin'i Kristy sy anehoantsika taratra ny Endriny (...).
Nataon'i Enoka teo anatrehany mandrakariva ny Tompo, ary izao no voalazan'ny Teny voasoratra, araka ny tsindrimandry, momba azy: "Niara-nandeha tamin'Andriamanitra izy." (...) Teto amin'izao tontolo izao ary nanatanteraka ny adidiny teo amin'izao tontolo izao izy, nefa teo ambanin'ny hery miasa mahataonan'i Jesosy mandrakariva. Naneho ny toetran'i Kristy izy (...) Ny firaisany tamin'i Kristy isan'andro no nanova azy hanahaka ny endrik'Ilay nifandray akaiky taminy (...) Nitombo tsy tapaka izy ary nanana firaisany tamin'ny Ray sy ny Zanaka. Izany no tena fanamasinana marina.- RH, 5 Desambra 1912.