"Mangataha ranonorana amin'i Jehovah hianareo amin'ny andro fara-orana, dia amin'i Jehovah, Izay manao ny helatra; ranonorana mivatravatra no homeny azy, eny, samy homeny nj zava-maitso any an-tsaha ireny." - Zak. 10:1.
Mofon'aina:
Ny Raintsika any an-danitra dia tsy mitaky amintsika izay tsy azontsika tanterahina. Iriny ny hiasan'ny vahoakany amim-pahazotoana mba hanatanteraka ny Fikasany ho azy ireo. Tokony hivavaka mba hahazo hery izy ireo, hanantena hery, ary handray hery, mba hitomboany ho arnin'ny fahafenoan'ny lehilahy sy vehivavy ao amin'i Kristy Jesosy.
Tsy ny mambra rehetra ao amin'ny fiangonana no miezaka mikolokolo ny toe-panahy araka an'Andriamanitra eo amin'ny fiainany manokana; noho izany dia tsy takany ny andraikiny manokana. Tsy tsapany fa tombontsoa sy adidiny ny manatratra ny fenitra ambony indrindra amin'ny fahatanterahana kristianina. (...) Moa ve isika miandrandra ny ranonorana farany ka manantena amim-pitokiana andro tsara kokoa, izay hanomezana hery avy any ambony ny fiangonana ka hahatonga azy ho vonona kokoa hanao ny asany? (...)- RH, 17 Mey 1906.
Tena mila ny rivo-piainana madio sy mamelombelona izay mamahana sy manatanjaka ny fiainana ara-panahy isika. Mila hafanam-po bebe kokoa isika. Ny hafatra manetriketrika izay nomena antsika mba hampitaina amin'izao tontolo izao dia tokony hotorina amin-kafanam-pobebe kokoa, eny, amin-kery sy hafanampo izay hahatonga ny tsy mino hahatsapa fa ny Avo Indrindra no miara-miasa amintsika, ary Izy no loharanon'ny fahombiazantsika sy ny herintsika.
Nomen'Andriamanitra talenta isika mba hampiasaina ho fanorenana ny fanjakany. (...) Manontany tena ve isika hoe: Ahoana no ampiasaiko ny talenta nomen'ny Tompoko ahy.
Ampiasainao amin'ny ezaka hamerenana ireo ondry very ho ao am-bala ve ny herinao rehetra? Ainarivony maro no mbola ao anatin'ny tsy fahalalana (...). Mivavaha tahaka izay tsy mbola nataonao hatrizay mba hahazoanao ny herin'i Kristy (...) Aoka hiakatra any an-danitra izao vavaka izao: "Andriamanitra anie hamindra fo aminay sy hitahy anay; hampamirapiratra ny tavany aminay anie Izy; mba ho fantatra ety ambonin'ny tany ny lalanao sy ny famonjenao any amin'ny jentilisa rehetra."- Sal. 67:1, 2.- RH, 1906.