Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny ranonorana farany

Daty
Zoma 27 November 2026

"Mangataha ranonorana amin'i Jehovah hianareo amin'ny andro fara-orana, dia amin'i Jehovah, Izay manao ny helatra; ranonorana mivatravatra no homeny azy, eny, samy homeny nj zava-maitso any an-tsaha ireny." - Zak. 10:1. 

Mofon'aina:
Ny Raintsika any an-danitra dia tsy mitaky amintsika izay tsy azontsika tanterahina. Iriny ny hiasan'ny vahoakany amim-pahazotoana mba hanatanteraka ny Fikasany ho azy ireo. Tokony hivavaka mba hahazo hery izy ireo, hanantena hery, ary handray hery, mba hitomboany ho arnin'ny fahafenoan'ny lehilahy sy vehivavy ao amin'i Kristy Jesosy. 

Tsy ny mambra rehetra ao amin'ny fiangonana no miezaka mikolokolo ny toe-panahy araka an'Andriamanitra eo amin'ny fiainany manokana; noho izany dia tsy takany ny andraikiny manokana. Tsy tsapany fa tombontsoa sy adidiny ny manatratra ny fenitra ambony indrindra amin'ny fahatanterahana kristianina. (...) Moa ve isika miandrandra ny ranonorana farany ka manantena amim-pitokiana andro tsara kokoa, izay hanomezana hery avy any ambony ny fiangonana ka hahatonga azy ho vonona kokoa hanao ny asany? (...)- RH, 17 Mey 1906. 

Tena mila ny rivo-piainana madio sy mamelombelona izay mamahana sy manatanjaka ny fiainana ara-panahy isika. Mila hafanam-po bebe kokoa isika. Ny hafatra manetriketrika izay nomena antsika mba hampitaina amin'izao tontolo izao dia tokony hotorina amin-kafanam-pobebe kokoa, eny, amin-kery sy hafanampo  izay hahatonga ny tsy mino hahatsapa fa ny Avo Indrindra no miara-miasa amintsika, ary Izy no loharanon'ny fahombiazantsika sy ny herintsika.

Nomen'Andriamanitra talenta isika mba hampiasaina ho fanorenana ny fanjakany. (...) Manontany tena ve isika hoe: Ahoana no ampiasaiko ny talenta nomen'ny Tompoko ahy.

Ampiasainao amin'ny ezaka hamerenana ireo ondry very ho ao am-bala ve ny herinao rehetra? Ainarivony maro no mbola ao anatin'ny tsy fahalalana (...). Mivavaha tahaka izay tsy mbola nataonao  hatrizay mba hahazoanao ny herin'i Kristy (...) Aoka hiakatra any an-danitra  izao vavaka izao: "Andriamanitra anie hamindra fo aminay sy hitahy anay; hampamirapiratra ny tavany aminay anie Izy; mba ho fantatra ety ambonin'ny tany ny lalanao  sy ny famonjenao any amin'ny jentilisa rehetra."- Sal. 67:1, 2.- RH, 1906. 
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Nov 2026
Lesona 8 : NY FANAZAVANA IREO FAMINANIANA - Fampidirana
Sun 15 Nov 2026
Lesona 8 : NY FANAZAVANA IREO FAMINANIANA - Ny Baiboly no manazava ny tenany.
Mon 16 Nov 2026
Lesona 8 : NY FANAZAVANA IREO FAMINANIANA - Tontolon-kevitra ara-tantara sy ara-kolon-tsaina.
Tue 17 Nov 2026
Lesona 8 : NY FANAZAVANA IREO FAMINANIANA - Tontolon-kevitra ara-literatiora.
Wed 18 Nov 2026
Lesona 8 : NY FANAZAVANA IREO FAMINANIANA - Ny hevitry ny lahatsoratra.
Thu 19 Nov 2026
Lesona 8 : NY FANAZAVANA IREO FAMINANIANA - Famelabelarana ara-tsoratra Masina.
Fri 20 Nov 2026
Lesona 8 : NY FANAZAVANA IREO FAMINANIANA - Mamaky ny Bokin’i ELLEN G. WHITE.
Sat 21 Nov 2026
Lesona 9 : MIZAHA TOETRA NY MPAMINANY- Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fampidirana.
Sun 08 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Tezitra tamin’ny mpitondra hafatr’Andriamanitra.
Mon 09 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Nopotehina ny hafatra (fizarana 1).
Tue 10 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Nopotehina ny hafatra (fizarana 2).
Wed 11 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fihatsarambelatsihy.
Thu 12 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Ho fananarana antsika.
Fri 13 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Naharay sy nampita hafatra.
Sat 14 Nov 2026
Lesona 8 : NY FANAZAVANA IREO FAMINANIANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Nov 2026
Lesona 9 : MIZAHA TOETRA NY MPAMINANY- Fampidirana
Sun 22 Nov 2026
Lesona 9 : MIZAHA TOETRA NY MPAMINANY-
Mon 23 Nov 2026
Lesona 9 : MIZAHA TOETRA NY MPAMINANY-
Tue 24 Nov 2026
Lesona 9 : MIZAHA TOETRA NY MPAMINANY-
Wed 25 Nov 2026
Lesona 9 : MIZAHA TOETRA NY MPAMINANY-
Thu 26 Nov 2026
Lesona 9 : MIZAHA TOETRA NY MPAMINANY-
Fri 27 Nov 2026
Lesona 9 : MIZAHA TOETRA NY MPAMINANY-
Sat 28 Nov 2026
Lesona 10 : NY FAHEFAN'NY FAMINANIANA SY NY FAHAMARINANY ANKEHITRINY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (93)
  • November 2026 (21)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal