Ahoana no tokony hamakiantsika ny asa soratr'i Ellen G. White? Misy torohevitra vitsivitsy ireto hanampy antsika hahatakatra sy hampihatra araka ny tokony ho izy ny hafatra nosoratany.
Voalohany, manàna toe-tsaina vontom-bavaka, fisainana miabo, ary saina misokatra, fa tsy toe-tsaina feno fisalasalana. Ny fisainantsika dia toy ny solomaso izay manome loko ny zavatra rehetra rentsika sy vakintsika ary hitantsika. Mila ny fitarihan'ny Fanahy Masina ny saintsika. Araka ny nambaran'i Ellen G. White hoe: "Raha ny hanamarina ny fiheveran'ny tenanao no handinihanao ny Soratra Masina, dia tsy hahita ny fahamarinana na oviana na oviana ianao. Ataovy izay mba hahalalana izay lazain'ny Tompo."– HF, t. 103. Toy izany koa no tokony ho fomba famakiana ny asa sorany.
Faharoa, diniho ny tontolon-kevitry ny lahatsoratra vakinao. Matetika no aorin'ny olona amin'ny fehezanteny iray na ampahan-dahatsoratra nesorina tao amin'ny tontolon-kevitra ara-tantara na ara-literatiora misy azy ny fahatakarany ny asa soratr'i Ellen G. White. Nanoratra toy izao izy: "Tsy maintsy dinihina tsara ny fotoana sy ny toerana." – SIM, b. 1, t. 57. Niteraka olana maro teo amin'ny mambran'ny fiangonana sasany, ary mbola miteraka olana maro mandraka ankehitriny, io tsy fiheverana ny tontolon-kevitra misy ny lahatsoratra io.
Fahatelo, mifantoha amin'ireo foto-kevitra lehibe. Inona no tian'i Ellen G. White hambara ao amin'ilay andalana? Ohatra, tamin'ny taona 1894 dia nanoratra ho an'ny mambra tao Battle Creek, Michigan, izy ka nanakiana ny fividianana bisikileta (Jereo ny TFC, b. 8, tt. 50–53). Ny foto-kevitra nampitainy dia tsy ny fandrarana ny bisikileta, fa ny fitantanana amim-pahendrena ny vola aman-karena nomen'Andriamanitra. (Tena lafo tokoa mantsy ny bisikileta tamin'izany andro izany).
Fahefatra, diniho izay rehetra nosoratan'i Ellen G. White momba ny lohahevitra iray. Diniho araka ny votoatin'ny fampianarany ankapobeny ny fanambarana iray izay toa manjavozavo na saro-takarina. Nalahelo i Ellen G. White fony fahavelony noho ny nampiasana ny asa sorany tamin'ny fomba feno fanararaotana: "Maro amin'ireo hafatra lazaina fa avy amin'ny rahavavy/anabavy White no ampiasaina mba handisoana ny tena heviny sy ny toetrany, mba hampisehoana azy ho manohana hevitra izay tsy mifanaraka amin'ny sainy sy ny fony akory." – SIM, b. 1, t. 44.
Farany, ataovy azo antoka fa i Ellen G. White tokoa no mpanoratra. Misy fanambarana maro aely izay lazaina fa avy aminy, nefa tsy azy akory. Ny fomba azo antoka indrindra hanamarinana izany dia ny fitadiavana ny loharano niaviany. Rehefa voamarina ny boky na ny lahatsoratra niaviany, dia azo dinihina araka ireo fitsipika voalaza etsy ambony izany.
Fanomezana sarobidy ho antsika ny asa soratr'i Ellen G. White, izay faminaniana. Zava-dehibe tokoa ny mamaky sy mahatakatra azy ireny araka ny tokony ho izy, satria afaka mitondra – ary tena mitondra - fitahiana lehibe ho an'ny olona an-tapitrisany maro izany. Mampalahelo raha ampiasaina amin'ny fomba diso na aolana ny heviny.
Azonao tsidihina ny https://whiteestate.org/absg/8.