Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

IREO VAVOLOMBELONA ROA

Daty
Sabotsy 04 May 2024

Hodinihina mandritra ny herinandro: Apôk. 11:3-6; Zak. 4:14; Apôk . 12:5,6,14,15; Dan. 7:25; Isa. 54:17; Sal. 119:89; Apôk. 11:15-18. 

Tsianjery : "Maina ny ahitra, malazo ny voniny; fa ny tenin'Andriamanitsika dia haharitra mandrakizay."– Isa. 40:8


Nandritra ny taonjato maro no nandinihana ny Tenin'Andriamanitra, nisalasalana ny amin'izany ary nandavana azy. Nogiazana tany amin'ny monastera samihafa izany, nodorana ampahibemaso ary norovidrovitina. Nesoina, nampidirina am-ponja ary novonoina maritiora aza ireo izay nino izany. Na izany aza dia nandresy ny tenin'Andriamanitra.

Nanenjika ireo Kristianina mahatoky tamin'ny Baiboly ny Fiangonan'ny Vanim-potoana Antenantenany. Nanazava ny haizina anefa ny Tenin'Andriamanitra. Tsy nanakana ny fitoriana ny Tenin'Andriamanitra ny fampahoriana sy ny fanenjehana. Rehefa notsaraina noho ny finoany ilay mpandika ny Baiboly tamin'ny teny anglisy antsoina hoe William Tyndale dia nanontaniana azy izay nanampy azy indrindra tamin'ny fampielezana ny Tenin'Andriamanitra. Nieritreritra ilay fanontaniana izy ary namaly hoe: "ny evekan'i Durham". Nanaitra ireo mpitsara tokoa izany valiteny izany. Nohazavain'i Tyndale fa nisy fotoana nividianan'io eveka io Baiboly dikanteny anglisy maro ka nandoroany izany ampahibemaso. Ny tsy fantatr'ilay eveka tamin'izany fotoana izany dia nanampy betsaka tamin'ny asan'ny fahamarinana izy. Novidiny tamin'ny vidiny ambony lavitra noho ny mahazatra ireo Baiboly. Tamin'ny alalan'ny vidin'izany boky marobe izany no nahafahan'i Tyndale nanonta Baiboly be lavitra noho ireo nodorana. Nihaniharina ilay fahamarinana nazera tamin'ny vovoka ka namirapiratra tamin'ny famirapiratany rehetra.

Amin'ity herinandro ity isika dia handinika ireo famelezana ratsy indrindra atao amin'ny Soratra Masina sy ny finoana kristianina. Nandriaka teny amin'ny lalamben'i Frantsa ny ra nandritra ny Revolisiona frantsay. Napetraka teo amin'ny toerana ampahibemaso tao Paris ny fanapahan-doha ary an'arivony maro no novonoina. Tonga fivavaham-panjakana ny ateisma (tsy finoana ny fisian'Andriamanitra). Na izany aza dia tsy azo nampanginina ny fijoroana ho vavolombelon'ny Tenin'Andriamanitra. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal