Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

MAHATAHIRY TSIAMBARATELO VE IANAO?

Daty
Alakamisy 11 July 2024

Vakio ny Mar. 1:40-45. Inona no ampianarin'izany antsika momba an'l Jesôsy sy ny fihetsiny manoloana ireo olona alliky ny fiarahamonina?

Ny habokana izay resahina eto amin'ity lahatsoratra ity, ary manerana ny Testamenta Taloha, dia tsy manondro fotsiny ny aretina izay fantatra amin'izao andro izao hoe "Maladie de Hansen" (habokana ara-bakiteny). Mety kokoa angamba ny andikana ny fiantsoan'ny Baiboly izany amin'ny hoe: "aretin-koditra mampanahy", ary tafiditra tao anatin'izany ireo olana hafa mahakasika ny hoditra. Azo heverina fa tany amin'ny taonjato fahatelo TIK tany ho any no nahatongavan'ny habokana (Maladie de Hansen) tany amin'ny faritra Proche-Orient fahiny. Jereo ny David P. Wright and Richard N. Jones, "Leprosy," The Anchor Bible Dictionary, b. 4 [New York: Doubleday, 1992], tt. 277-282). Ilay boka izay voaresaka ao amin'ity andininy ity dia azo heverina fa nahitana ny aretin'i Hansen. Na dia tsy tena azontsika antoka tanteraka aza izay nahazo azy dia fantatra fa aretin-dratsy tokoa izany.

Nino ilay boka fa azon'i Jesôsy atao ny manadio azy. Ambaran'ny Lev. 13 fa maloto ny boka araka ny lalàna sy ny fomba ka tsy maintsy nihataka tamin'ny hafa (jereo ny Lev. 13:45,46).

I Jesôsy kosa dia nangoraka an'ilay lehilahy ka nikasika azy. "Ary Jesosy dia onena azy ka naninjitra ny tànany, dia nanendry azy ka nanao taminy hoe: Mety Aho; madiova hianao." - Mar. 1:41. Ho naloto mandra-paharivan'ny andro i Jesôsy noho ny nanaovany izany ary ho nasaina nandro mba hadio indray araka ny fomba (ampitahao amin'ny Lev. 13-15). Mazava anefa ny fanambaran'i Marka fa ny fikasihan'i Jesôsy io lehilahy marary io dia nanadio an'ity farany ho afaka amin'ny habokana. Araka izany, dia tsy naloto noho ny fikasihany an'ilay lehilahy i Jesôsy.

Nasain'i Jesôsy nankany amin'ny mpisorona ilay lehilahy ary nomeny toromarika mba hitondra ny fanatitra araka izay efa nandidian'i Mosesy ho amin'izany toe-javatra izany. araka ny Lev. 14. Mijoro ho mpiaro sy mpanohana ny fampianaran'i Mosesy i Jesôsy manerana ny filazantsaran'i Marka (jereo ny Mar. 7:10; Mar. 10:3,4; Mar. 12:26, 29-31). Izany dia mifanohitra tanteraka amin'ny fomba fijerin'ireo mpitarika ara-pivavahana izay manova ny zava-kendren'ireo fampianarana nomena tany am-boalohany tamin'ny alalan'i Mosesy, ao amin'ny Mar. 7, 10 ary 12. Ireo tsipirian-javatra ireo no manazava ny antony níbaikoan'i Jesôsy an'ilay lehilahy mba hangina ao amin'ny Mar. 1:44. Raha milazalaza ny nanasitranan'i Jesôsy azy izy dia mety hisy flantraikany eo amin'ny fanapahan-kevitry ny mpisorona izany noho izy ireo manana hevi-dratsy mibahana mialoha mahakasika an'i Jesôsy.

Toa tsy nahatakatra izany anefa ilay boka nodiovina; tsy nankatoaviny ny baikon'i Jesõsy ka lasa nampiely ilay vaovao izy. Vokatr'izany dia nanjary tsy azon'i Jesôsy natao intsony ny niditra miharihary tao an-tanana mba hanao ny asany.

Ahoana no hitandremantsika mba tsy hanao ny zavatra izay mety hanembantsembana ny fanapariahana ny filazantsara, na dia tsara manao ahoana aza ny fikasantsika amin'ny fanaovana izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.
Sun 29 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Ny toerana misy antsika.
Mon 30 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fananarana, fibebahana ary
Tue 31 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fitiavana mandrakizay.
Wed 01 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Tomoera.
Thu 02 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Miray amin’ny voaloboka.
Fri 03 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA -
Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal