Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Varavarana misokatra

Daty
Alarobia 03 July 2024

« Finoana no namindrana an’i Enoka tsy hiharan’ny fahafatesana; ka dia tsy hita izy, satria nafindran’Andriamanitra; fa talohan’ny namindrana azy dia nambara fa nankasitrahan’Andriamanitra izy. » Heb. 11:5.

Mofon’aina:    
Rehefa mianatra mandeha amim-pinoana isika fa tsy amin’ny fahatsapana, dia handray ny fanampiana avy amin’Andriamanitra amin’ny fotoana ilantsika izany, ka dia hitoetra ao am-pontsika ny fiadanany. Izany fiainana tsotra feno fankatoavana sy fitokiana izany no niainan’i Enôka. (...)

Eo amin’ny ambaratonga rehetra eo amin’ny fanorenanao ny toetra amam-panahinao dia tokony hanao izay hankasitrahan’Andriamanitra anao ianao. Azonao atao izany; satria i Enôka dia nankasitrahany na dia velona tamin’ny fotoan’andro mivarilavo aza. Mbola misy Enôka koa amin’izao androntsika izao.

Nandritra ny telonjato taona no nikatsahan’i Enôka fahadiovam-po, mba hampirindrana ny fiainany amin’ny lanitra. Nandritra ny telonjato taona no niarahany nandeha tamin’Andriamanitra. Isan’andro no naniriany fatratra hanana fifandraisana ety dia ety amin’Andriamanitra; ary nihaety kokoa hatrany izany firaisana izany, mandra-pandraisan’Andriamanitra azy ho any Aminy. Nijoro teo an-tokonam- baravaran’ny fiainana mandrakizay izy, ka indray mandingana monja sisa ny elanelana nanasaraka azy sy ny tanànan’ireo olo-masina; koa ankehitriny dia nisokatra ny vavahady, ary ilay fiarahana nandeha tamin’Andriamanitra, izay notanterahina nandritra ny fotoana maharitra teto an-tany, no indro fa mitohy. Koa nandingana ny vavahadin’ny tanàna masina izy, ary izy no olombelona voalohany niditra tamin’izany.

Miaraka amin’ny tenin’Andriamanitra eny an-tanany, ny olombelona tsirairay, na manao ahoana na manao ahoana ny mety ho anjarany eo amin’ny fiainana, dia afaka manana fisakaizana tahaka izany, raha izany no ho safidiny. (...) Afaka mitoetra eto amin’izao tontolo izao ao anatin’ny rivo-piainan’ny lanitra izy, ka hizara fisainana feno fanantenana sy faniriana hahazo fahamasinana amin’ireo mijaly sy alaim-panahy eto an-tany, (...) tahaka ilay anankiray fahiny elabe izay niara-nandeha tamin’Andriamanitra, sy nanakaiky kokoa hatrany ny tokonam- baravaran’ny tontolo mandrakizay, mandra-pisokatry ny vavahady ka nidirany tao. Tsy hahatsiaro ny tenany ho vahiny akory izy. Ny feo izay hiarahaba azy tonga soa dia ny feon’ireo olo-masina, dia ireo sakaizany tsy hita maso teto an-tany – feon’ireo izay nianarany navahana sy notiavina fony tety an-tany. Izay nivelona tao anatin’ny fisakaizana tamin’ny lanitra tamin’ny alalan’ny tenin’Andriamanitra, dia hahatsapa ny tenany ho tompon-trano rehefa hiaraka hanandrana ny fisakaizan’ny lanitra manontolo. – CC, t. 31.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny
Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal