Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lehibe sy kely mifanara-tsaina

Daty
Sabotsy 13 July 2024

« Ary Samoela zaza nanao fanompoam-pivavahana tamin’i Jehôvah teo anatrehan’i Ely. » 1 Sam. 3:1. 

Mofon’aina :    
Raha mbola tanora i Samoela, fony izy naterina mba hanao asa fanompoana ao amin’ny fitoerana masina, dia efa nanana andraikitra sahady hotanterahiny amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, araka izay fahafahany. (...)

Raha ampianarina ny zanaka mba handray ireo andraikiny isan’andro ho toy ny taranja voatendrin’Andriamanitra ho azy, izany hoe fianarana izay tokony hifotorany mba hahazoany manao fanompoana mahatoky sy mahomby, dia ho hita mahafinaritra kokoa sy be voninahitra lavitra ny asa izay ataony. Ny fanatontosana ny adidy rehetra toy ny ho an’ny Tompo dia mahatonga ny asa ambany indrindra ho feno fahatsarana, ary mampifandray ny mpiasa eto an-tany amin’ireo voary masina izay manao ny sitrapon’Andriamanitra any an-danitra.

Hatramin’ny fahazazany dia fiainam-pahamasinana sy fanoloran-tena ny fiainan’i Samoela. Napetraka teo ambany fiahian’i Ely izy tamin’ny fahatanorany, ary ny toetrany maha-te ho tia dia nambabo ny fon’ilay mpisorona efa antitra. Tsara fanahy izy, nalala-tanana, nazoto, nankatô, ary feno fanajana. Tena niharihary tokoa ny fifanoherana teo amin’ny fitondran-tenan’i Samoela tamin’ny fahatanorany sy ny an’ireo zanaka lahy naterak’ilay mpisorona, ary dia nahatsapa fiadanana sy fahatoniana ary fitahiana i Ely niaraka tamin’ity zaza nankinina taminy ity. Tsy dia nahazatra loatra izany hoe, i Ely, mpitsara lehiben’ny firenena, sy ity zaza tsotra ity, no mpinamana tsy mifankafoy tokoa. Tia manampy sy be fitiavana i Samoela, ary tsy mbola nisy ray tia zanaka mihoatra noho ny fitiavan’i Ely ity tanora ity. Rehefa nihaosa noho ny fahanterana i Ely dia tena nahakivy azy fatratra ny fitondran-tenan’ireto zanany lahy izay sahisahy ratsy sady feno fahadalana ireto, koa dia nitodika tany amin’i Samoela izy mba hahazo fampaherezana sy fanampiana.

Manohina ny fo tokoa ny mahita tanora mifanohana amin’ny efa antitra; ilay tanora miandrandra torohevitra sy fahendrena avy amin’ilay antitra, ary ity farany kosa miankina amin’ilay tanora hahazo fanampiana sy fiaraha-miory. Izany mihitsy no tokony ho izy. Tian’Andriamanitra raha ny tanora no manana toetra tsara toy izany mba hahitany fifaliana amin’ny finamanana amin’ny efa fotsy volo, mba hahatonga azy ireo ho tafaray amin’ny fatoram-pitiavana feno fitsinjovana ireo izay efa toy ny hazo amoron-tevana. – CC, t. 144.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 19 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fitaovampiadiana mahery vaika indrindra.
Mon 20 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny soratra masina, fahefana.
Tue 21 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fahamarinana ara-baiboly.
Wed 22 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fitakian’ny Baiboly.
Thu 23 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny toe-po.
Fri 24 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal