Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tara fifohazana

Daty
Talata 16 July 2024

"Kanefa nitodika aho nandinika ny asa rehetra nataon'ny tanako sy ny fisasarana izay nisasarako, ka, indreo, zava-poana sy misambo-drivotra foana izany rehetra izany, fa tsy nisy nahasoa taty" ambanin’ny masoandro." — Mpitt. 2:11. 

Mofon’aina:   
Nanao fanandramana mampalahelo tamin'ny zavatra tsinontsinona i Sôlômôna, ka niafara tamin'ny fametrahana ny faniriana ambony indrindra tamin'ny zavatry ny tany izany. Tsy nitsahatra nampahatsiaro azy ireo alitaran'andriamanitra sampy fa fitaka ihany 
ny fiadanan-tsaina ampanantenain'ireo andriamani-tsy izy ireo. Nampahory azy andro aman'alina tamin'izay ireo fisainana mampalahelo sy manangoly azy. Tsy nisy fifaliana na fiadanan-tsaina ho azy intsony; toa nihamaizina sy nampamoifo azy ny ho avy. 

Tsy nanadino azy anefa ny Tompo. Niezaka hampahalala ny mpanjaka ny voka-dratsin'ny fitondran-tena ao amin'ny fahotana tamin'ny fananarana mafy azy izy. Nesoriny taminy ny fiarovany ka navela hamely matetika sy handemy ny fanjakany ny fahavalony. "Ary Jehôvah nanangana fahavalo hanohitra an'i Soloman a, dia Hadada Edomita (...) Ary Andriamanitra nanangana fahavalo koa hanohitra an 'i Solomona dia Rezona (...) kapitenin’ny olona maro izay nankahala ny Isiraely any nanjaka tany Syria. Ary Jeroboama koa, mpanompon'i Solomona,(..) mahay (matanjaka sady be herim-po) dia nanainga tànana hikomy tamin'ny mpanjaka. (1 Mpanj. 11)(...) 

Toy ny olona avy nosintonina tao amin'ny nofiny i Solomona tamin'ny fandrenesana izany didim-pitsarana nanameloka azy mbamin'ny taranany izany, ka nirongatra tampoka ny feon'ny fieritreretany ary nanomboka nahatsapa ny fahadalana vitany izy. Rehefa nahatsiaro saina sy torovana vatana amam-panahy izy, dia niala tamin'ny fanangonan-drano mitriatriatran'izao tontolo izao, mba hanala hetaheta indray amin’Ilay loharanon'aina... 

Tsy afaka nanantena ny handositra an'ireo vokatra mamohehatra avy amin'ny fahotana izy, na hanafaka ny sainy tamin'ny fahatsiarovana ny fitondran-tena ratsy nataony; nefa niezaka izy mba hitaona ny hafa tsy hanaraka ny fahadalany. Niaiky tamim-panetren-tena ny hadisoany tamin'ny lasa izy, ary nampitandrina ny namany mba tsy ho very tsy azom-panafana noho ny ohatra ratsy nomeny azy ireo.

Izay mibebaka marina dia tsy manadino ny fiainany tamin'ny lasa raha vantany vao mahazo famelana ny fahadisoany. Mahatsiaro ireo notaomin'ny fitondran-tena ratsy nataony tamin'ny faharatsiana izy, ka miezaka amin'ny fomba rehetra azo atao mba hamerina azy ireny indray amin'ny lala-mahitsy. Arakaraka ny famirapiratry ny fahazavana noraisiny no hampahatanjaka ny faniriany hitarika ny namany ao amin'ny lalana marina. — CC, t. 196. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny
Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal