Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Izay rehetra eo ambony alitara

Daty
Zoma 19 July 2024

 "Tsy nisy olona mitana fangady tarihina ary miherika ka miendrika ho ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra." - Lio. 9:62.

Mofon'aina:
Tsy voatery ho voantso toa an'i Elisa avokoa isika eo amin'ny fanompoana, na koa hoe tsy maintsy hivarotra ny fananantsika avokoa, fa mangataka antsika Andriamanitra mba hametrahantsika ny fanompoana Azy eo amin'ny toerana voalohany amin'ny fiainantsika. Mba tsy hisy andro na dia iray aza handalo ka tsy hanaovantsika izay hampandroso ny asany eto an-tany. (...) Eken'Andriamanitra ny fanatitry ny tsirairay. Ny fanoloran-tena eo amin'ny fiainana sy izay rehetra manodidina azy dia tena ilaina tokoa. lreo izay manao izany fanoloran-tena izany dia haheno ary hankato ny antso avy any an-danitra (...)

Tsy asa lehibe no nangatahina voalohany tamin'i Elisa, fa ireo adidy mahazatra andavanandro mandrafitra ny fiainany ihany. Lazaina ohatra hoe manondraka rano eo amin'ny tanan'i Elia tompony ihany. Vonona ny hanao izay rehetra lazain'ny Tompo izy, ary isaky ny indray mandingana dia mianatra ny leson'ny fanetren-tena sy fanompoana (...) Tsy milaza tsy akory izany fa tsy nisy fakam-panahy ny fiainan'i Elisa rehefa niaraka tamin'i Elia. Be ireo fisedrana., fa isaky ny toe-java-tsarotra dia niankina tamin'Andriamanitra izy. Nalaim-panahy hody tany amin'ny trano nilaozany izy, saingy tsy nasiany vidiny izany. Raha nametraka ny tanany teo amin'ny sarietiny izy, dia ninia tao am-pony tsy hiverin-dalana, ary tamin'ny alalan'ireo fitsapana sy fisedrana dia noporofoiny fa nahatoky marina tokoa izy (...) Nanatitra an'ilay mpaminany i Elisa (...) Voasedra indray mandeha indray ny finoany sy ny fanapahan-keviny. Tao Gilgala aloha, avy eo dia tao Betela sy Jeriko, nasain'ilay mpaminany niverina izy (...) saingy (...) tsy nanaiky ho rembin'ny foto-kevitra izay nandrebireby azy (...) "ary hoy Elia tamin'i Elisa: angataho izay hataoko ho anao, dieny tsy mbola misaraka aminao aho." - 2 Mpanj. 2:9a.

Tsy haja amam-boninahitr'izao tontolo izao no nangatahin'i Elisa na toerana ambony ho isan'ireo manan-kaja eto an-tany. Ny niriny dia ny fatra fenon'ny Fanahy, homen'Andriamanitra maimaim-poana sy amin-kalalahana ho an'izay omem-boninahitra. Fantany fa tsy nisy afa-tsy ny Fanahy ihany no nitoetra tao amin'i Elia nahatonga azy ho mendrika ny toerana teo amin'ny Isiraely izay niantsoan'Andriamanitra azy, ka nangataka izy hoe: "Marina hianao, aoka ny anjaran-droa amin'ny fanahinao mba ho ahy." (and. 9b). - CC, t. 222. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fampidirana
Sun 05 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Famindrampo indray
Mon 06 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Zava-manan-danja tao amin’ny toerana tsy ampoizina
Tue 07 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fanoloran-tena vaovao.
Wed 08 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Soatoavina mifanohitra.
Thu 09 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fahasoavana tsy ampoizina.
Fri 10 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal