Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mpaminany tsy mankatò

Daty
Sabotsy 20 July 2024

"Mitsangana, mankanesa any Ninive, ilay tanàna lehibe, ary miantsoa ny amin'ny hamelezana azy fa tafakatra eto anatrehako ny faharatsiany. "- Jona 1:2.

Mofon'ana:   
Raha niharatsy ny tao Ninive, dia tsy hoe azon'ny faharatsiana tanteraka tsy akory. Izy izay "mijery ny zanak'olombelona rehetra" - Sal. 33:13 (...) dia nahita tao amin'ity tanàna ity olona maro izay mikendry ny tsara sy ambony kokoa hatrany (...) Niseho tamin'izy ireo Andriamanitra tamin'ny fomba tsy mety diso mba hitarika azy ho amin'ny fibebahana.    

I Jona no fitaovana voafidy ho amin'izany asa izany. Raha mba mpaminany nankatò tsy misy fanontaniana mantsy izy dia ho nieren' ireo fanandramana mangidy ary ho nahazo fitahiana mitafotafo. Na dia tao anatin' ireo oran'ny fahakiviana aza dia tsy nanary azy Andriamanitra. Tamin' ny alalan'ireo fisedrana mitohitohy sy ny fitsimbinana mahagaga no natao hiainana indray ireo fiankinan'ny mpaminany tamin'Andriamanitra sy ireo Heriny tsy hita lany (...)  

Nasaina nitondra fampitandremana ho an'i Ninive indray mandeha indray ilay mpanompon ' Andriamanitra. Rehefa niditra tao an-tanana ary i Jona, dia nanomboka amin'izay nihiaka nitory ny hafatra hoe: "rehefa afaka efa-polo andro, dia horavana Ninive". Nitety ny lalana rehetra izy nitsoka ny feon'ny fampitandremana..

Tsy very maina  ilay hafatra. Ilay antsoantso re teny an-dalana tao amin' ity tanàna tsy nisy an'Andriamanitra ity dia niampita avy amin'ny vava iray ho amin'ny vava hafa mandra-pandren'ny olona rehetra izany. Nanaparitaka ity hafatra ity tao amin'ny fo rehetra ny Fanahin'Andriamanitra ka niteraka fangovitana tao amin'ny rehetra noho ireo fahotana vita mba hibebaka tamin'ny fanetren-tena tokoa (...) Nosakanana ny loza tokony hanjo azy ireo, noderaina sy nomem-boninahitra Téo anivon'ny jentilisa Ilay Andriamanitr’Isiraely, ary nomena fanajana ny Lalàny. Taona maro taty aoriana indray vao azon'ny fitaoman'ireo firenena hafa noho ny fanadinoana an'Andriamanitra sy noho ny fireharehany i Ninive ( ...)

Ho an'ny mpitondra hafatr'Andriamanitra ankehitriny ny lesona, rehefa misy tanàna eo anivon'ny firenena iray mila fahalalana marina tokoa momba ny toetra sy sitrapon'Andriamanitra, toa an'i Ninive fahizay Ny tanana izay haharitra dia izay naorina sy nataon'Andriamanitra ihany (...) Jesôsy Tompo dia miantso lehilahy sy vehivavy hanao ezaka amin'ny alalan'ny faniriana marina hiaro ilay lova tsy mety ritra. - CC, t. 230.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fampidirana
Sun 05 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Famindrampo indray
Mon 06 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Zava-manan-danja tao amin’ny toerana tsy ampoizina
Tue 07 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fanoloran-tena vaovao.
Wed 08 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Soatoavina mifanohitra.
Thu 09 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fahasoavana tsy ampoizina.
Fri 10 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal