Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Jeremia, ilay vavan'Andriamanitra

Daty
Alahady 21 July 2024

"Tsara ny miandry ny famonjen’i Jehôvah amin'ny fahanginana." - Fit. 3:26. 

Mofon’aina:
I Jeremia no anisan'ireo nanantena fifohazana ara-panahy mitohy avy amin’ny fanavaozana nataon'i Josia. Nantsoin'Andriamanitra ho mpaminany izy raha mbola tanora (...) Tao amin'ny fahatanorany dia hitan'Andriarnanitra tao aminy ny fahatokiany sy ny fijoroany ho mahatoky manoloana ny fanoherana lehibe (...) "Aza manao hoe: mbola zaza aho", raha nandidy Hay iraka nofidiny ny Tompo. "Fa handeha amin 'izay rehetra hanirahako anao hianao, ary izay rehetra handidiako anao no hambaranao. Aza matahotra azy ianao; fa momba anao hamonjy anao Aho." - Jer. 1:7,8 (...) Efapolo taona no nitsanganan'i Jeremia nanoloana ny firenena ho vavolombelon'ny fahatokiana sy fahamarinana. Tamin'ny fotoana niaingan'ny fihemorana dia nanome ohatra teo amin'ny fiainany sy ny fombany izy ny amin'ny fivavahana amin'Andriamanitra marina. Eo amin'ny toeran'ny olana tao Jerosalema dia i Jeremia no tsy maintsy vavan'i Jehôvah . -

Noho ny toetrany saro-kenatra sy ny toerana misy azy tsy nanao ahoana loatra, dia efa nikasa ny hilamindamina sy hiaina tsy misy rotoroto, tsy nilana fijoroana mitohy ho an'ity firenena maminy ity izy. Kanefa ny fony dia rotiky ny alahelo noho ny faharavana vokatry ny fahotana (...)

Nampianatra azy lesona momba ny hoe: "tsy an'ny olombelona ny lalan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny dianv" ny fanandraman'ny fahatanorana sy ny fiafaran'ny fiainana nandalovan'i Jeremia. Nianatra nivavaka izy hoe: "Jehovah ô, anaro aho, nefa araka ny antonony ihany; fa tsy amin 'ny fahatezeranao, fandrao hataonao tonga tslnontsinona aho." - Jer. 10: 23,24.

Tamin'ny fotoana niantsoana azy hisotro ny kapoaky ny fanenjehana sy ny fahoriana, ka voatariky ny fijaliany hilaza hoe: "Levona ny faharetako sy ny fanantenako an 'i Jehôvah "- Fit. 3:18, dia tsaroany ny fikarakaran'Andriamanitra teo aminy ka tamim-pandresena no nanambarany fa "Ny famindram-pon’i Jehôvah no tsy nahalany ritra antsika, fa tsy mitsahatra ny fiantrany (..) Jehôvah no anjarako, hoy ny fanahiko, ka dia hanantena Azy aho." (and. 22-24)- CC, t. 237. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (55)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal