Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tsy misy zavatra lafo vidy loatra ka tsy foy homena Azy

Daty
Sabotsy 27 July 2024

"Fa ny fitiavan'i Kristy no manery anay." - 2 Kôr. 5:14. 

Mofon'aina:
Nankasitrahan'i Kristy ny faniriana niredareda tao amin'i Maria hanao ny sitrapon'ny Tompony. Nekeny ity harenan'ny fitiavana madio izay tsy azon'ny mpianany sady tsy nety ho azony an-tsaina. Ny faniriana tao am-pon'i Maria hanao io asa fanompoana io ho an'ny Tompony, dia sarobidy kokoa teo imason'i Kristy noho ny hosotra sarobidy rehetra eto amin'izao tontolo izao, satria naneho ny fankasitrahany ny Mpanavotra izao tontolo izao izany. Ny fitiavan'i Kristy no nanery azy. Nameno ny fanahiny ny fahatsaran'ny toetra amam-panahin'i Kristy tsy misy toa azy. Tandindon'ny fon'ilay mpanome io hosotra io. (...)

Ny asa nataon'i Maria no lesona nilaina indrindra tamin'ny mpianatra, hilazany aminy fa ny mahafaly an'i Kristy dia ny fanehoana ny fitiavany Azy. Efa zavatra rehetra ho azy ireo Izy, ary tsy tsapan'izy ireo fa kely sisa dia tsy ho eo anatrehan'izy ireo intsony Izy, ary kely sisa dia tsy ho afaka hanolotra Azy ny toky maneho fankasitrahana ny fitiavany lehibe izy ireo. Tsy azon'ny mpianatra na oviana na oviana na tsapany araka izay tokony ho izy ny naha-irery an'i Kristy, tafasaraka tamin'ny lapan'ny lanitra, niaina tamin'ny fiainan'ny olombelona. Matetika nalahelo Izy noho ny mpianany tsy nanome Azy izay tokony ho noraisiny taminy. (...)

Ny fahalalany taty aoriana dia nahafantarany ny tena dikan'ny zavatra maro tokony ho nataony ho an'i Jesôsy hanehoana ny fitiavana sy ny fankasitrahan'ny fony (...) Rehefa tsy teo aminy intsony i Jesôsy, (...) dia hitany tamin'izay ny nahazoany naneho fitiavana Azy izay ho nitondra fifaliana tao am-pony. Tsy ho nanome tsiny intsony an'i Maria izy ireo, fa nanome tsiny ny tenany. 0! raha azony natao ny nanatsoaka ny faninitsiniana nataony sy ny fillazany fa mendrika kokoa ny fanomezany ny mahantra noho i Kristy! Tsapany nanaikitra azy indrindra ny fanomezan-tsiny raha nampidina ny tenan'ny Tompo torotoro avy teo amin'ny hazo fijaliana izy ireo.

Ankehitriny dia mazava koa io fahabangana io. Nefa vitsy no mankasitraka izay rehetra maha-Izy tokoa an'i Kristy, ho azy ireo. Raha nanao izany izy ireo, dia hiseho ny fitiavana lehibe toy ny an'i Maria; hitosaka malalaka ny fanosorana sarobidy. Tsy tokony holazaina fa fanobatobahana ny menaka ilay fanosorana sarobidy. Tsy tokony hisy na inona na inona hoheverina ho sarobidy loatra homena an'i Kristy, tsy tokony hisy fandavan-tena na fahafoizan-tena lehibe loatra ka tsy hiaretana ho Azy. — CC, t. 307.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny
Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal