Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Saoly niova ho Paoly 

Daty
Alatsinainy 29 July 2024

"Mitsangana, ka mankanesa ho any an-tanàna, dia holazaina aminao izay mety hataonao." — Asa. 9:6. 

Mofon’aina:
Hitantsika ao amin'ny fiovam-po mahatalanjona nitranga teo amin’i Paoly ny hery mahagaga ananan'Andriamanitra. (...) Naneho ny tenany tamin’i Paoly i Jesôsy , izay nankahalainy sy nohamavoiny indrindra ambonin’ny anarana rehetra ny anarany, mba hampitsaharana ny asa ratsiny, na dia nataony tamim-pahatsorana aza izany, mba hahafahany manova io fitaovana tsy misy antenaina io ho fanaka voafidy hitondra ny filazantsara any amin'ny Jentilisa, (...) Nanaisotra ny fahitan'i Paoly ny fahazavan'ny famirapiratana avy tany an-danitra; saingy tsy naverin'i Jesôsy, ilay Mpanasitrana Lehibe ny jamba, tamin'ny laoniny izany. Novaliany tamin'ireto teny ireto ny fanontanian'i Paoly: "Mitsangana, ka mankanesa ho any an-tanana, dia holazaina aminao izay mety hataonao". Tsy hoe afaka nanasitrana an'i Paoly tamin'ny fahajambany fotsiny ihany i Jesôsy , fa afaka namela ny helony sy nilaza taminy ny andraikiny koa tamin'ny alalan’ny famelabelarana ny fizotran'ny fiainany amin’ny hoavy. (...)

 Nahazendana sy nahavery hevitra an'i Paoly ny fahazavana mahagaga nomena azy tamin’io fotoana io. Nampileferina tanteraka izy. Tsy vitan'ny olombelona ny manatanteraka io ampahany amin'ny asa io an'i Paoly, saingy mbola nisy asa tsy maintsy hovitaina, izay azon’ny mpanompon'i Kristy tanterahina. Notarihin'i Kristy tany amin'ireo masoivohony tao amin'ny fiangonana izy mba hahafantarany misimisy kokoa ny andraikitra miandry azy. Tahaka izany no anomezany fahefana sy lalana ho an'ny fiangonana nalaminy. I Kristy no nanao ny asam-panambarana sy fandresena lahatra, ka ao anatin'ny toe-javatra hahafahany mianatra amin'ireo izay notendren’ Andriamanitra hampianatra ny fahamarinana i Paoly ankehitriny. Notarihin'i Kristy ho any amin'ny mpanompo nofidiny Paoly, ka nampifandray azy amin'ny fiangonany amin'ny alalan'izany. Ireo olona izay nokendren'i Paoly haringana mihitsy no ho mpampianatra azy ao amin'ny fivavahana izay nohamavoiny sy nohenjehiny. (...)

Nisy anjely nirahina nankany amin'i Ananiasy, izay nanome toromarika azy mba handeha any amin'ny trano iray izay nivavahan’i Saoly mba hahazoany ny toromarika ny amin'ny zavatra hataony manaraka. (...) Nikasika ny masony teo amin'ny toeran'i Kristy i Ananiasy mba hahitan'izany indray; naninjitra ny tanany teo aminy teo amin'ny toeran'i Kristy izy, nivavaka tamin'ny anaran’i Kristy, dia nandray ny Fanahy Masina i Saoly. —CC, t. 339. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny
Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal