Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Saoly niova ho Paoly 

Daty
Alatsinainy 29 July 2024

"Mitsangana, ka mankanesa ho any an-tanàna, dia holazaina aminao izay mety hataonao." — Asa. 9:6. 

Mofon’aina:
Hitantsika ao amin'ny fiovam-po mahatalanjona nitranga teo amin’i Paoly ny hery mahagaga ananan'Andriamanitra. (...) Naneho ny tenany tamin’i Paoly i Jesôsy , izay nankahalainy sy nohamavoiny indrindra ambonin’ny anarana rehetra ny anarany, mba hampitsaharana ny asa ratsiny, na dia nataony tamim-pahatsorana aza izany, mba hahafahany manova io fitaovana tsy misy antenaina io ho fanaka voafidy hitondra ny filazantsara any amin'ny Jentilisa, (...) Nanaisotra ny fahitan'i Paoly ny fahazavan'ny famirapiratana avy tany an-danitra; saingy tsy naverin'i Jesôsy, ilay Mpanasitrana Lehibe ny jamba, tamin'ny laoniny izany. Novaliany tamin'ireto teny ireto ny fanontanian'i Paoly: "Mitsangana, ka mankanesa ho any an-tanana, dia holazaina aminao izay mety hataonao". Tsy hoe afaka nanasitrana an'i Paoly tamin'ny fahajambany fotsiny ihany i Jesôsy , fa afaka namela ny helony sy nilaza taminy ny andraikiny koa tamin'ny alalan’ny famelabelarana ny fizotran'ny fiainany amin’ny hoavy. (...)

 Nahazendana sy nahavery hevitra an'i Paoly ny fahazavana mahagaga nomena azy tamin’io fotoana io. Nampileferina tanteraka izy. Tsy vitan'ny olombelona ny manatanteraka io ampahany amin'ny asa io an'i Paoly, saingy mbola nisy asa tsy maintsy hovitaina, izay azon’ny mpanompon'i Kristy tanterahina. Notarihin'i Kristy tany amin'ireo masoivohony tao amin'ny fiangonana izy mba hahafantarany misimisy kokoa ny andraikitra miandry azy. Tahaka izany no anomezany fahefana sy lalana ho an'ny fiangonana nalaminy. I Kristy no nanao ny asam-panambarana sy fandresena lahatra, ka ao anatin'ny toe-javatra hahafahany mianatra amin'ireo izay notendren’ Andriamanitra hampianatra ny fahamarinana i Paoly ankehitriny. Notarihin'i Kristy ho any amin'ny mpanompo nofidiny Paoly, ka nampifandray azy amin'ny fiangonany amin'ny alalan'izany. Ireo olona izay nokendren'i Paoly haringana mihitsy no ho mpampianatra azy ao amin'ny fivavahana izay nohamavoiny sy nohenjehiny. (...)

Nisy anjely nirahina nankany amin'i Ananiasy, izay nanome toromarika azy mba handeha any amin'ny trano iray izay nivavahan’i Saoly mba hahazoany ny toromarika ny amin'ny zavatra hataony manaraka. (...) Nikasika ny masony teo amin'ny toeran'i Kristy i Ananiasy mba hahitan'izany indray; naninjitra ny tanany teo aminy teo amin'ny toeran'i Kristy izy, nivavaka tamin'ny anaran’i Kristy, dia nandray ny Fanahy Masina i Saoly. —CC, t. 339. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fampidirana
Sun 05 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Famindrampo indray
Mon 06 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Zava-manan-danja tao amin’ny toerana tsy ampoizina
Tue 07 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fanoloran-tena vaovao.
Wed 08 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Soatoavina mifanohitra.
Thu 09 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fahasoavana tsy ampoizina.
Fri 10 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal