Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FAHAGAGANA MANODIDINA NY FARIHY

Daty
Sabotsy 27 July 2024

Hodinihina mandritra ny herinandro: Mar.4:35-41;Sal.104:1-9; Mar. 5:1-43: Nom. 27:17.

Tsianjery: « Nefa tsy navelan’i Jesôsy izy; fa hoy Izy taminy: Modia ihany any an-tranonao ho any amin’ny havanao; ka lazao aminy izay zavatra lehibe nataon'ny Tompo taminao sy ny namindrany fo taminao. »  – Mar. 5:19.

Tao Galilia no tena nanaovan’i Jesôsy ny asany, indrindra teo amin’ny Ranomasin’i Galilia sy ny manodidina azy. Ilay antsoina hoe ranomasin’i Galilia dia farihy iray lehibe mirefy 21 km ny lavany ary 13 km ny sakany. lo no rano midadasika  teo amin’izany faritra izany ary ivon’ny antom-piveloman’ny olona manodidina.

I Jesôsy sy ny mpianany niampita ny Ranomasin’i Galilia no mamarana ny Mar. 4. Nisy tafio-drivotra mahery tamin’izay, ary i Jesôsy no nampitsahatra izany tamin’ny nitenenany tamin’ny rivotra sy ny onja. Mifarana amin’ny toe-javatra mitovy amin'izany koa ny Mar. 6, saingy tamin’ity indray mandeha ity dia nandeha teo ambonin’ny rano i Jesôsy, nanatona ny mpianany tao an-tsambokely. Teo anelanelan’ireo tranga roa ireodia marobe ny fahagagana nataon’i Jesôsy teny an-tanety, ary teo no nanombohan'ny mpianatra ny asa misiônerany. Ireo tantara ireo no lohahevitra hodinihintsika amin’ity herinandro ity.

Ny tena mampiavaka ireo tantara ireo dia izy mamela ny mpamaky hahita hoe iza moa i Jesôsy. Izy Ilay mahay mampitsahatra ny tafiotra, manasitrana ny demoniaka, manasitrana vehivavy izay nikasika fotsiny ny akanjony, manangana zazavavy amin’ny maty, mitory ao amin ny tany niaviany, maniraka ny mpianany hitory ny filazantsara, mamahana olona 5000 amin’ny mofo sy hazandrano vitsy monja, ary Ilay mandeha ambonin’ny rano. Fanehoana mahagaga ny heriny ireo, izay nahatonga ny mpianany hahatakatra mazava kokoa fa Izy no Zanak’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fampidirana
Sun 05 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Famindrampo indray
Mon 06 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Zava-manan-danja tao amin’ny toerana tsy ampoizina
Tue 07 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fanoloran-tena vaovao.
Wed 08 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Soatoavina mifanohitra.
Thu 09 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fahasoavana tsy ampoizina.
Fri 10 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal