Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

KARAZANA MESIA HAFA

Daty
Alakamisy 01 August 2024

Vakio ny Mar. 6:34-52. Inona ny olana natrehin'i Jesôsy sy ny mpianany teto, ary ahoana no namahana izany?

Rehefa niverina avy nanao asa misiônera ny mpianatra dia nandeha niaraka tamin'i Jesôsy nitokana tany an-tany foana, teo amin'ny morony atsinanan'ny Ranomasin'i Galilia, mba hiala sasatra. Saingy vahoaka betsaka, nisy 5000 lahy teo, no efa tonga talohany teo amin'ilay toerana. Toy ny ondry tsy misy mpiahy no fahitan'i Jesôsy azy ireo. Dia nampianatra azy ireo nandritra ny tontolo andro Izy.

Nony hariva dia nanolo-kevitra ny mpianatra handravana ny olona mba hitadiavany izay ho sakafony avy, saingy nasain'i Jesôsy nomen'izy ireo hanina ny vahoaka. Ny resaka nifanaovan'izy ireo manaraka (Mar. 6:35-38) dia maneho fa tamin'ny fisainana maha-olombelona no niezahan'ny mpianatra namahana ny olana. Novahan'i Jesôsy tamin'ny fomba mahagaga anefa izany, ka mofo dimy sy hazandrano roa no namahanany ilay vahoaka betsaka.

Nampahazo vahana ny fandraisan'ny maro ny atao hoe Mesia tamin'ny andron'i Jesôsy ny fisehon'ity tantara ity. Nantenain'ny vahoaka fa ny Mesia no hanafaka azy amin'ny fahavalony ka hitondra ny fahamarinana sy ny fiadanana. Ny ankamaroan'ireo olona nipetraka teo an-tany foana ireo dia vonona hikomy sy hampiasa hery mihitsy ho fanatanterahana izany (ampitahao amin'ny Jao. 6:14,15; Asa. 21:38).

Manamafy izany ny filazana fa "tahaka ny ondry tsy manana mpiandry" no fahitan'i Jesôsy ireo vahoaka ireo, izay ampahan-teny avy ao amin'ny Nom. 27:17, rehefa nangataka tamin'Andriamanitra i Mosesy mba hanendry izay handimby azy hitarika ny Isiraely. Hita any amin'ny andininy maro hafa ao amin'ny TT io fiteny io mba hilazana ny tsy fananan'ny Isiraely mpitarika na mpanjaka (ampitahao amin'ny 1 Mpanj. 22:17; 2 Tant. 18:16; Ezek. 34:5,6).

Kanefa tsy araka izay nantenainy i Jesôsy, fa nirahiny ho any an-toeran-kafa ny mpianatra ary noravany ny vahoaka. Nantenaina hitarika ny fikomiana amin'i Rôma Izy, kanjo inona no nataony? Lasa nankany an-tendrombohitra Izy hivavaka.

Tsy Ilay Mesia mpanjaka sy mpanafaka ny Isiraely araka ny nieritreretan'ny vahoaka Azy Izy, fa tonga hanafaka azy ireo amin'ny fanandevozan'ny ota kosa. Rehefa nitsangantsangana tambonin'ny rano i Jesôsy dia nasehony tamin'izany fa Izy no Tom
pon'ny zavaboary. Kanefa tsy tonga mba hotompoina amin'ny maha-mpanapaka Izy fa mba hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro (Mar. 10:45).

Nahoana no zava-dehibe ny fahatakarantsika ny faminaniana araka ny tokony ho izy; raha ny asehon'io tantara io? Raha nitondra Ioza ho an'ny sasany ny fandraisana diso ny fiavian'i Jesôsy voalohany, hanao ahoana ny Ioza vokatry ny fahatakarana diso ny Jesôsy fanindroany? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fampidirana
Sun 05 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Famindrampo indray
Mon 06 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Zava-manan-danja tao amin’ny toerana tsy ampoizina
Tue 07 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fanoloran-tena vaovao.
Wed 08 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Soatoavina mifanohitra.
Thu 09 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fahasoavana tsy ampoizina.
Fri 10 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal