Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tahaka ny masirasira

Daty
Zoma 02 August 2024

 "Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny masirasira, izay nalain'ny vehivavy anankiray ka nataony tao amin'ny koba intelon'ny famarana, mandra-pahazon'ny masirasira azy rehetra." – Mat. 13:33. 

Mofon’aina:
Tao amin'ny fanoharana nataon'ny Mpamonjy, ny masirasira dia nampiasainy hanehoana ny fanjakan'ny lanitra. Maneho an-tsary ny herin'ny fahasoavan'Andriamanitra mamelombelona sy manavao izany. (...)

 Ny fahasoavan'Andriamanitra dia tsy maintsy raisin'ny mpanota alohan'ny hahatonga azy ho mendrika ny fanjakan'ny voninahitra. Ny fahalalana sy ny fanabeazana rehetra azon'izao tontolo izao omena dia tsy hahomby eo amin'ny fanovana ny zanaky ny fahotana efa simba ho tonga zanaky ny lanitra. Tsy maintsy ho avy amin'Andriamanitra ny hery manavao. (...) Tahaka ny masirasira miharo amin'ny koba miasa avy ao anatiny ka miseho ety ivelany, no fiasan'ny fahasoavan'Andriamanitra hanova ny fiainana amin'ny fanavaozana ny fo. (...) 

Ny masirasira voafina ao amin'ny koba dia miasa amin'ny fomba tsy hita maso hampiakatra ny vongana manontolo; dia toy izany koa ny masirasiran'ny fahamarinana, miasa mangina sy miafina ary tsy mijanona izy mba hanova fanahy. Mihamalefaka sy voafehy ny fironana ara-nofo. Fisainana vaovao, fahatsapana vaovao, ainga vaovao no tafaorina. Faneva vaovaon'ny toetra amam-panahy no voatsangana, dia ny fiainan'i Kristy. Voaova ny saina, voahetsika ireo manao zavatra hifantoka ho amin'ny sori-dalana vaovao. (...) Mifoha ny feon'ny fieritreretana. (...) 

Ny fon' izay mandray ny fahasoavan'ny lanitra dia ho feno fitiavana an'Andriamanitra sy an' ireo nanoloran'i Kristy ny ainy. (...) Malemy fanahy sy malina izy, manetry tena izy momba ny fiheverany ny tenany, nefa dia feno fanantenana matoky mandrakariva ny famindrampo sy ny fitiavan'Andriamanitra. (...)

Tokony hifehy ny toe-po sy ny feo ny fahasoavan'i Kristy. Ho hita ny asany eo amin'ny fanajana sy ny fomba fijery feno fitiavana asehony amin'ny rahalahiny, ary amin'ny teny malefaka feno fitiavana sy mampahery. Tsapa ny fanatrehan'ny anjely ao an-tokantrano. Ny fiainana dia mamoaka fofo-manitra izay miakatra any amin'Andriamanitra ho toy ny fofon'ny ditin-kazo manitra masina. Miseho amin'ny fahalemem-panahy sy ny hatsaram-panahy sy fandeferana ary fahari-po ny fitiavana. Miova ny endrika. Mamirapiratra eo amin'ny endrik'ireo izay tia Azy sy mitandrina ny didiny i Kristy mitoetra ao am-po. (...). Rehefa tanteraka ireo fanovana ireo, dia velon-kira, feno hobim-pifaliana sy fahasambarana ny anjely, ary Andriamanitra sy i Kristy dia ravoravo noho ireo fanahy voavolavola araka ny fitoviana amin'Andriamanitra. – GAG, t. 18. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal