Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fitahiana avy amin'ny fankatoavana.

Daty
Talata 06 August 2024

"Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô, no sitrako; ary ny lalanao no ato anatiko." Sal. 40:8. 

Mofon’aina:
Manao ahoana loatra izao Andriamanitsika izao! Tananany amim-pahendrena sy fitandremana ny fanjakany, ary nanamboatra fefy manodidina ny olony Izy, dia ny Didy folo, ho fiarovana azy ireo amin'ny vokatry ny fandikan-dalàna. Takiny ny hankatoavan'ny olona ny lalàn'ny fanjakany, fa amin'izany no anomezany azy harena, fahasambarana, fiadanana, ary fifaliana. Mampianatra azy ireo Izy fa ny fifankazarana amin'ny Teniny ihany no hahatrarany ny fahatanterahan-toetra izay takiny.

Izay mikatsaka marina ny ho tahaka an'i Jesôsy, eo amin'ny fiteny sy ny fiainana ary ny toetra, no hahita Azy, ka hovana ho araka ny endriny amin'ny alalan'ny fibanjinana Azy. Iriny fatratra sy trotroiny amim-bavaka mantsy ny hanana ny fomba sy ny saina izay tao amin'i Kristy Jesôsy. (...) Mangetaheta an'Andriamanitra izy. Manjary midika zava-dehibe ho azy ny tantaran'ny Mpanavotra azy sy ny sorona tsy misy fetra nataony. Tonga mahantra Ilay Mpanjakan'ny lanitra mba hampanan-karena antsika ny fahantrany, tsy hanan-karena fahaizana fotsiny isika fa hahavita zava-dehibe maro koa.

Ireo dia harena izay tian'i Kristy tokoa mba hananan'ireo mpanara-dia Azy. Rehefa mamaky ny Tenin' Andriamanitra ny mpikatsaka marina ny fahamarinana ka manokatra ny sainy handray ny Teny, dia haniry fatratra ny fahamarinana amin'ny fony manontolo. Manjary hetahetan'ny fanahiny ny hanam-pitiavana, fangorahana, fahamoram-panahy, fanajana, ary fahalalam-pomba kristianina, izay toetra mampiavaka ilay fonenana any an-danitra amboarin'i Kristy ho an' ireo izay tia Azy. Tsy azo hozongozonina izy amin'ny fanatrarana ny tanjony. Tapa-kevitra hiandany amin'ny fahamarinana izy. Nahita lalana hidirana ao am-po ny fahamarinana ka mamaka ao noho ny asan'ny Fanahy Masina, Izay fahamarinana. Rehefa fehezin'ny fahamarinana ny fo dia hita mazava izany amin'ny fahatongavan'ilay olona ho mpitandrina tsara ny fahasoavan'i Kristy.

 Manana ny andraikiny manokana ny mpitandrina tsirairay ho fampandrosoana ny fanjakan ' Andriamanitra. (...) Natao hampitomboina ho voninahitr' Andriamanitra sy hanohanana ny fanjakany ny talentan' ny fiteny, ny fitadidiana, ny hery miasa mangina, ary ny fananana. Hotahiny ny fampiasana araka ny tokony ho izy ireo fanomezam-pahasoavana avy Aminy. —GAG, t. 61. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana
Sun 07 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fanoloran-tena
Mon 08 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fiampangana
Tue 09 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Mbola mibahana ao an-tsaina ny lasa
Wed 10 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famaliana Mora
Thu 11 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famahana ny fifandirana
Fri 12 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fianarana fanampiny
Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny
Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO!: Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal